Dans la mme rubrique

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

21/06/2019

“Voararan’ny lalàna ny manala baraka olona sy miteniteny foana, fa endrika tsy fanajana ny zo fototra maha olombelona”, hoy Razanatahina Florence,

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

21/06/2019

Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, ny Ambasadaoron’i Alemaina, Atoa Gehrig Harald mivady, ka tonga nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian.

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Zanak’Ifanadiana V7V Mitaraina amin’ny Tsindrihazolena nahazo azy ireo

21/06/2019

Solontena roa, ny printsy Ralaizandry Honore Alexandre sy Randrianasoloniaina Jocelyn,

Zanak’Ifanadiana V7V Mitaraina amin’ny Tsindrihazolena nahazo azy ireo

Hamaky ny tohiny...

Veronique Vouland Aneini « Mitombo ny mpamatsy vola raha mangarahara ny fitantanana »

20/06/2019

Amin`ny volana aogositra ho avy izao no handao eto Madagasikara i Veronique Vouland-Aneini, masoivoho frantsay fa voatendry any amin`ny firenenan-kafa.

Veronique Vouland Aneini « Mitombo ny mpamatsy vola raha mangarahara ny fitantanana »

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Mpampianatra vao 23 taona Naolana avy eo nesorina ny ainy

08/04/2019

Raiki-tapisaka amin’ny Malagasy ankehitriny ny famonoana olona. Mpanaben’ny EPP Mahazoarivo, Ivandrika, tany Farafangana vao 23 taona no hitan’ny mpandalo efa tsy nisy aina intsony, tamin’ny 1 ora ny sabotsy teo. Voaolana izy ity mialoha ny namonoana azy, raha ny fampitam-baovao ofisialin’ny zandarimariam-pirenena.

 

 Efa tahaka ny mamono akoho ny famonoana olona eto Madagasikara amin’izao. Raha mbola mihiratra ny andro ka manopy maso amin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery dia ahitana vono olona avokoa. Matetika aza maro no hita faty amin’ny andro iray. Fomba feno habibiana tahaka ny tsatok'antsy maro be, fanakendana, fandorana, fanesorana ny filahiana, fanapahana ny ratsam-batana no hanatanterahan’ny tsy matahotody izany. Ny ankamaroan’ny vehivavy aza dia voaolana aloha vao vonoina, tahaka ity tranga Farafangana ity.

Maivana ny antony

Ny antony mahatonga ny vono olona anefa matetika tsy mifanaraka amin’ny sandan’ny aina afahana fa zavatra faran'izay kely toy ny fifamaliana, adin'ny mpifankatia. Ny valifaty izay miseho  tahaka ny raharahan’i Maroantsetra amin’izao dia vao mainka miteraka asa ratsy maro toy ny  fitsaram-bahoaka sy ny fanapotehana. Saika manerana  an’i Madagasikara avokoa no ahitana ity asa ratsy ity. Misy an'io daholo na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra.  Ny sahirana matetika no miharomotra noho ny adim-piainana ka lasa tsy mahafehy tena intsony. Heverina fa misy akony any amin'ny atidoha sy ny farahatoka ny fitobahan'ny kolontsaina sy ny fomba fanao vahiny amin'ny alalan'ny sarimihetsika sy ny tambajotran-tsosialy,  ny  “internet”. Mihen-danja ny hasin’ny aina sy ny zo maha olona ho an’ny Malagasy. Tsy tazana amin’ireo fanabeazana sy ny fandaharam-pampianarana loatra anefa ny  fametrahana ny fikolokoloana ny hasin’ny aina. Hita ho maivana na tsy misy mihitsy aza ny fanabeazana ny olom-pirenena hanaja ny soatoavina sy ny maha saropady ny aina. Heverina ho tena tsy matahotra an'Andriamanitra intsony ny Malagasy, kanefa malaza ho firenena mpivavaka.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana