Dans la męme rubrique

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanĂ na teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanĂ na teknolojika

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’ny Arendrina Matin’ny vita sinoa ny vita Malagasy

24/06/2019

Mitaraina ireo mpivarotra. Mikaikaika noho ny hafitsoky ny Sinoa ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy eto amintsika. Maty mantsy ny tsenan’izy ireo ary zara raha misy mividy,

Tsenan’ny Arendrina Matin’ny vita sinoa ny vita Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

21/06/2019

“Voararan’ny lalàna ny manala baraka olona sy miteniteny foana, fa endrika tsy fanajana ny zo fototra maha olombelona”, hoy Razanatahina Florence,

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

21/06/2019

Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, ny Ambasadaoron’i Alemaina, Atoa Gehrig Harald mivady, ka tonga nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian.

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Nisavoritaka i Maroantsetra 2 maty, trano 22 may kila forehitra

08/04/2019

Sakoroka tanteraka ny tao Maroantsetra ny sabotsy teo. Olona roa no maty, trano 22 may kila forehitra, ary telo no voaroba.

 

 

 

Niombon-kevitra ny mponin’i Maroantsetra sy ny solontenan’ny mpitondra fanjakana nidina tany an-toerana amin’ny fanafainganana ny fanadihadiana ireo mpanararaotra. Nitaky ireo vahoaka mba hamotorana ny  polisy nahavanon-doza nidaroka ilay voapanga ho mpamaky trano sy izay nitifitra ny tovolahy  19 taona, ka nahafaty azy. Nanome toky kosa anefa ny mponina teo an-toerana omaly atoandro, teo anatrehan’ny mpitondra fanjakana tahaka ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny minisitry ny filaminam-bahoaka fa tsy hanatanteraka ny fandorana sy ny fandravana fotodrafitrasa intsony, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Raha iverenana ny zava-nisy, tovolahy iray 19 taona no voatazon’ny polisy tao amin’ny kaomisaria  Maroantsetra ny sabotsy 6 aprily teo nahiana nahavita halatra tamin’ny vaky trano. Narary tao amin’ny « violon » izy io ka nentin’ny polisy tany amin’ny hopitaly kanjo maty. Araka ny filazan’ny dokotera teo an-toerana, vono sy daroka no nahafaty azy ary nisy tapaka ny taolan-tratrany. Tezitra ireo fianakaviany ka nentiny teo amin’ny kaomisaria ny faty tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ary nitaky ny hanasaziana ny nahavita ny heloka izy ireo. Nihamaro ny olona ary nihiboka tao amin’ny birao ireo polisy. Tonga teo an-toerana ny zandary nifampiresaka tamin’ny fianakavian’ny lasibatra, nanampy ny lehiben’ny distrika ka tapa-kevitra ny fianakaviana fa any amin’ny tranompokonolona no hatao ny fiandrasam-paty. Nandritra izany ny zandary nitaona ireo vady aman-janaky ny polisy hihazo ny tobin’ny zandary. Tamin’ny 4ora sy sasany hariva anefa, tonga ireo andian-jatovo ka saika hanao amboletra hamoaka ireo polisy. Tamin’izay no nahavoa ilay iray 19 taona ka maty ary nahatezitra ny mponina. Nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany ny fandorana ny tranon’ny polisy. Nafindran’ny zandary tany aminy nihazo ireo fianakaviany avokoa ireo polisy tao amin’ny kaomisaria. Voatery nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitandro ny filaminana ka tamin’ny 2 ora maraina vao nilamina. Polisy iray no naratra. Omaly maraina no nidina tany an-toerana ny delegasion’ny minisitera voakasika. Matetika no tsy manaja ny zon’olombelona ireo mpitandro filaminana mpanao fanadihadiana amin’ny alalan’ny vono sy daroka ary fandorana herinaratra ka mahatezitra ny olona.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana