Dans la mme rubrique

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

13/06/2019

Efa maro ireo sekoly ankehitriny no mampiasa ny teknôlôjia maoderina, hanamorana ny fampitana ny fampianarana. Betsaka, ohatra, ireo sekoly mampiasa ny solosaina sy ny aterineto.

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

Hamaky ny tohiny...

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

13/06/2019

Nanomboka omaly alarobia 12 jona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ary haharitra 3 andro ny fampirantiana karakarain’ny fikambanan’ireo Injeniera misehatra amin’ny asa topografika na fandrefesan-tany.

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Volobe Toamasina Hamokatra herinaratra 120 MW ny CGVH-Jovena

12/06/2019

Nosoniavina ny 28 mey lasa teo tany Paris ny fifanarahana lasitra momba ny tetikasa famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny tohadrano ao Sahofika.

Volobe Toamasina Hamokatra herinaratra 120 MW ny CGVH-Jovena

Hamaky ny tohiny...

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

12/06/2019

Lany ho praiminisitr’i India indray i Narendra Modi taorian’ny fifidianana ho solombavambahoaka natao tany an-toerana ny volana mey lasa teo tamin’ny alalan’ny antokony izay nahazo toerana betsaka indrindra tao amin’ny kongresy.

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

07/06/2019

Nanomboka omaly ary ho tapitra ny sabotsy ho avy izao ny foaraben’ny ronono andiany fahatelo atao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Zon’ny ankizy Mbola betsaka ireo tsy voahaja eto Madagasikara

06/06/2019

Ny 40,17 %-n’ny mponina eto amintsika dia ankizy vao teraka ka hatramin’ny 14 taona avokoa, raha araka ny antontan’isa nivoaka tamin’ny taona 2016.

Zon’ny ankizy Mbola betsaka ireo tsy voahaja eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

04/06/2019

Natolotra an’i Madagasikara ny 31 mey 2019 tao amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle, Paris, ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataon’ny Bureau de Recherche Géologique et Minière (BRGM)

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Madagasikara sy Senegal Hitadiavan’i Lafrantsa tombony ara-toekarena indray…

08/04/2019

Tsy hisy akony akory amin’ny toekaren’i Madagasikara ny fandehanan’ny filoha Malagasy tany Sénégal.

 

 

 

 Noderaina be ny filoha sonegaly MakySall tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ary andrandraina nefa olona mpanao didy jadona. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena, mbola anisan’ireo firenena 25 tena mahantra i Sénégal satria sady tsy miakatra ny fahefa-mividin’ny mponina ary misy hatrany ny sondro-bidim-piainana. Eo ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana ny harena ara-boajanahary ary tena manjaka ny kolikoly indrindra ny any amin’ny tsenam-baro-panjakana amin’ilay “infrastructure” be dia be nataony. Anisan’ny filoha  mankasitraka be ny vola  noforonin’ny Frantsay CFA i MakySall  ary tsymenatra miady ho an’izany mihitsy nandritra ny fitsidihana ofisialy nataony tany Elysée izay anisan’ny nahatezitra olona maro be. Be trosa ihany koa i Sénégal nefa tsy noresahina mihitsy izany fa ny fotodrafitrasa nataony foana no natao nakadilo sofina. Tsiahivina fa lany fihodinana voalohany io filoha io na dia maro aza ny tsy fahatomombanana maro be ary amin’izao dia mangina tanteraka ny mpanohitra. Na eo ary izany dia tsara toerana i Sénégal mihoatra amin’i Madagasikara. 6,8%  ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena nandritra ny 3 taona nisesy araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny taona 2017. Ny zavatra tsapa dia mahantra be daholo ny firenena mpikambana mampiasa ny CFA sady mbola manohy ny fanjanahany i Lafrantsa. Betsaka ny mpahay toekarena manakiana ary milaza mihitsy hoe raha tsy manana ny fiandrianana ara-bola miaraka amin’ny banky foibeny ny firenena iray dia tsy tafavoaka mihitsy. Mifamatotra amin’i Madagasikara izany ary manazava ireny dia lava nataon’ny filoha tany ireny. Mampiseho amin’ny reny  Malala fa miombon’aina tanteraka ireto firenena nozanahina  ary vonona hatrany hanome tombony ho azy.

 

Tsirinasolo

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana