Dans la mme rubrique

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna

12/06/2019

Vinavinaina ho amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara.

Fifidianana ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

11/06/2019

Mikorotan-tsaina tanteraka ny ray aman-dreny monina eny amin’ny manodidina an’Ambohibao sy Talatamaty ankehitriny.

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

Hamaky ny tohiny...

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NITENY NY VADIN’ILAY KANDIDA VOATIFITRA

04/04/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny vadin’ilay kandidà izay maty notifirina tany Tsaratanàna. Manahy mafy izy ireo fa mety havotsotra atsy ho atsy ilay kandidà hafa izay voarohirohy ho atidoha nikotrika ny famonoana.

 

 

Mizaka zom-pirenena roa io olona io ary ahiana ny hiarovan’ny masoivoho vazaha azy, raha ny fijerin’ny havan’ny fianakaviana. Olona fito no efa MD any Mahajanga momba ity raharaha maloto ity. 

MISANDOKA HO POLISIN’NY BC

Misandoka ho polisin’ny BC dia manao fakàna an-keriny mpamily taxi indray ny jiolahy amin’izao. Ny tanjona dia ny hanomezan’ny fianakavian’ialy olona vola azy telo lahy. Nametraka fitoriana anefa ireo havana akaiky ary teny amin’ny BC ihany ary dia natao ny fikarohana niafara tamin’ny fisamborana. Fantatra fa zandary teo aloha ary efa voaroaka izy telo lahy. Ny roa no voasambotra raha tafaporitsaka ny iray ambiny. 

VEHIVAVY HITA FATY TENY ANDAKANA

Vehivavy iray no hita faty tetsy Andakana omaly tolakandro. Tao anaty kirihitr’ala no nisy nahatsikaritra izany ka nampiantso ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana. Nokendaina tamin’ny « collier » izay nanaovany ihany izy raha araka fanamarihan’ny manam-pahaizana. Tsy mbola fantatra ny momba azy omaly satria tsy nisy taratasy niaraka taminy. Noraisin’ny zandary ao Ambohimanga ny fanadihadiana. 

FISAFOAN’NY MIARAMILA AO MAEVATANANA

Andro sy alina ny miaramila no manao fisafoana ao Maevatanana. Nisy vokany izany satria olona efa ho 11 no voasambotra tao anatin’ny fotoana fohy. Saika mpamaky trano na dahalo na mpifoka rongony ny ankamaroan’izy ireo. Misy koa anefa ny ao anatin’ny fikambanan’ny zazamainty izay matetika dia mivaona tanteraka any amin’ny asa ratsy. Nidoboka am-ponja ireo olona rehefa natolotra ny fampanoavana. 

FANENDAHANA ENY ANKORONDRANO

Mirongatra tanteraka ny fanendahana eny Ankorondrano eo anoloan’ny fokontany. Hatramin’ny mpiambina manokana aza mbola nisy sahy nanendaka hatrany ary tsy vao voalohany fa saika isan-kerinandro no misy lasibatr’izany. Mangataka ny mponina eo an-toerana ny mba hijeren’ny polisy maso akaiky ity toerana ity ka mba hampitomboana ny fisafoana satria sahy loatra ireo olon-dratsy izay mandeha enina na dimy ary mitazona sabatra. 

 

MAMOAKA TARATASY TSIAMBARATELO

Misy mamoaka hatrany ny taratasy izay soniavin’ny minisitry ny serasera sy ny kolon-tsaina izay tokony mbola hijanona ho tsiambaratelo. Isan’izany ny taratasy izay nalefany tany amin’ny Primatiora ary mangataka ny handravàna ny OMACI na ny ofisim-pirenena izay misahana ny sinema. Nisy namoaka tamin’ny tambajotra sosialy ilay taratasy tsiambaratelo ary tsy vao voalohany izay fa ohatr’izay koa ny momba ilay sary vongana tany Andapa. 

MOTO CROSS NANDONA VEHIVAVY BEVOHOKA

Maty ny zaza tao an-kibo ary ny reniny kosa dia mbola manaraka fitsaboana mba ho fanavotana ny ainy. Izay no vokatry ny hetraketraky ny mpandeha moto-cross izay nandona vehivavy mitondra vohoka. Tsy vitan’izany fa mbola nitsoaka koa ilay nahavanon-doza izay tsy fantatra hatramin’izao izay momba azy. Na izany aza nisy nahita ny zava-nitranga ary inoana fa hitondra amin’ny fahafantarana ilay tsy vanona izany.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana