Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fivarotam-boninkazo eo Anosy Misy misotasota manangana tsena eo anoloany

04/04/2019

Mitaraina ireo mpivarotra voninkazo sy mpanao fanaingoana isan-karazany etsy Anosy ampitan’ny Antenimierandoholona Anosy amin’izao.

 

 

 Vehivavy iray ambaran’ireo mpivarotra fa mahitahita no manangana tsena vy lehibe amin’ny alalan’ny fanitso eo anoloan’ny tsenan’izy ireo. Kotrehina hanaovana tahaka izany avokoa ny toerana malaladalaka eo anoloan’ireo tsenan’ny voninkazo eny an-toerana raha ny fitarainan’ireo lasibatra. Tsena manara-penitra no ambara fa hatao amin’izy io, dia ireny fivarotan-tsakafo sy tsakitsaky na “Gargotte” ireny raha ny fitarainana hatrany. Rehefa nanatona ny teo anivon’ny fivondronana ireo lasibatra, dia nahazo valin-teny fa toa misy olona ambonimbony ao anaty fanjakana miaro sy mandrisika io Ramatoa manao antsojay io. Efa nanangana zavatra teo izy io tamin’ny taona 2009, ka niakatra teo anivon’ny lehiben’ny tsena ny raharaha, ary dia voasakana teo ny fikasana. Nikasa hanangana  toeram-pivoahana indray vao tsy ela, ary efa natomboka, kinanjo nesorina rehefa nilaza ny hitondra ny raharaha tany amin’ny Ben’ny tanàna ireo mpivarotra, raha ny fanazavana. Ankehitriny kosa dia tsy tahotra tsy henatra intsony fa efa misy trano vy lehibe mitsangana manakona tanteraka ireo mpivarotra voninkazo, ka amin’ny alina no hananganany azy, ary efa mitarika jiro eo amin’ilay toerana mihitsy. Manao antso avo amin’ny manampahefana mahefa hijery ny zava-misy sy hanaisotra ny tsena sokajian’izy ireo ho tsy ara-dalàna araka izany ireo mpivarotra eo amin’ny voninkazo izay efa an-taonany maro be no teo. Sady asa fivelomana no haingon’ny tanàna rahateo, hoy izy ireo, no nanomezan’i Marc Ravalomanana azy ireo hampiasa ny toerana tamin’ny androny, saingy izao misy olona mahitahita misotasota azy ireo izao.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana