Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Varotra rongony mahery vaika Mpianatr’Ankatso voasambotra

02/04/2019

Mpianatra avy ao amin’Anjerimanontolo no mpiketrika ny varotra an-tsokosoko mahadomelina. Lehilahy iray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « STUP » noho io resaka io ny zoma 29 martsa lasa teny Ampefiloha, noho ny vaovao azon’ny polisy.

 

 

 

Tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, nidina nijery ifotony ny polisy ka tra-tehaka ny tovolahy iray 28 taona mpianatra eny amin’ny oniversite taona faha-4 ao amin’ny sampam-pianarana sôsiôlojia izay nahatrarana «heroïne»  milanja 99g mitentim-bidy 9 900 000 Ariary. Nambarany fa teratany Afrikanina iray no fangalany ny entana ary amidiny 100 000 ariary ny iray grama. Efa hatramin’ny taona 2016 no nanaovany ity asa fivarotana mahadomelina ity fa  izao izy vao tratra. Olona efatra hafa koa no voasambotry ny polisin’ny STUP ka ny iray mpianatra lalàna eny Ankatso, ny 26 martsa  noho ny mahadomelina hatrany, teny Ambohimanarina izay mampirongatra ny hala-botry sy ny fangaronam-paosy ny fiparitahan’ireo rongony ireo. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny STUP tamin’ny talata heriny tamin’ny 6 ora maraina ka lehilahy 2 no voasambotra avy nividy rongony ka ny 1 nahatrarana rongony fonosana 8 milanja 1 Kg sy 100g ary ny iray hafa kosa 2 fonosana lehibe. Lehilahy mipetraka eny Anosivavaka Ambohimanarina no nividianany izany, araka ny fanadihadiana. Ny alarobia tamin’ny 6 ora sy sasany, nidina ifotony ny polisy ka tra-tehaka tao an-tranony ny lehilahy roa izay mbola mpianatra eny amin’ny oniveriste taona fahatelo amin’ny sampana lalàna ny iray ary lehilahy tsy an’asa ny iray. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana rongony 11kg 100g. Lehilahy avy any Androy  no fangalany ny rongony izay vidiny 120 000 Ariary ny 1 gony ary amboariny anaty fonosana kosa izany avy eo ka hamidin’izy ireo 2 000 Ar ny fonosana kely. Raha ny nambarany de efa ho 6 volana teo ho eo ny namarotany ireo rongony ireo ary maro ny olona manjifa izany. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny alarobia izy efadahy ireto.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana