Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ambodirano-Ampefiloha sy 67Ha Tra-tehaka ireo mpanondran’olona mankany Arabia Saodita

02/04/2019

Rehefa tonga any an-toerana nifanarahana fa ireo vehivavy Malagasy aondrana, dia 2.500.000 Ariary isaky ny olona alefa any Arabia Saodita sy Oman no azon’ireo mpanondrana any ivelany avy amin’ireo mpandray andriambavilanitra.

 

 Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena. Olona miisa telo no voasambotry ny polisim-pirenena  miasa ao amin’ny «Service Central des Enquêtes Spécialisées et de lutte contre les Fraudes Documentaires» teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny alakamisy  28 martsa teo noho ny fanondranana olona an-tsokosoko ho any Arabia Saodita sy Oman. Tovovavy 2 no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena ny alarobia 27 martsa teo. Nofitahin’olona saika halefa hiasa any Arabia saodita izy ireo. Nilaza izy ireo fa nisy vehivavy iray naka vola 2.000.000 ariary isan’olona tamin’izy 2 vavy ary nitondra azy ireo avy any amin’ny faritra Andapa ka nametraka azy teto Antananarivo eo am-piandrasana ny fotoana handehanany ho any Arabia Saodita. Volana vitsy taty aoriana anefa dia sady tsy nalefa izy ireo no noroahina tamin’ny trano nametrahana azy. Noho izany dia nisy ny fikarohana nataon’ny polisy ity ramatoa mpanondrana olona ity ka ny alakamisy 28 martsa tokony ho tamin’ny 7 ora maraina no voasambotra  tao amin’ny trano fonenany tao Ampefiloha Ambodirano io vehivavy io sy ny vadiny ary tovovavy 3 hafa izay mbola nokasainy haondrana any ivelany. Nandritra ny fanadihadiana azy ihany koa no nahalalana fa mpanangona ireo ankizy ireo sy mikarakara pasipaoro ihany no asany fa vehivavy iray hafa kosa no miandraikitra ny fanondranana azy ireo ho any Arabia Saodita sy Oman. Nisy ny vela-pandrika natao ka ny alakamisy 28 martsa tamin’ny 5 ora hariva no voasambotra teny amin’ny faritra 67ha ilay vehivavy mpiray tsikombakomba aminy io. Nohadihadiana ihany koa ity farany ka niaiky fa efa hatramin’ny taona 2016 izy no nanondrana vehivavy hiasa an-trano ho any Arabia sy Oman, ary vola 700 dolara isan’olona no azony avy amin’ireo mpandray ireo vehivavy ireo rehefa tonga any an-toerana. Ny fanjakana sasatra ny mampody fa ireo tsy manana asa sy ireo mpanondrana kosa miketrika an-tsokosoko etsy an-daniny. Azo heverina fa noho ny fahantrana no tena fototry ny olana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana