Dans la mme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ramiaranjatovo “Tokony hijanona ho tsy miankina ny depiote”

02/04/2019

“Raha te handroso isika dia tokony hanana solombavambahoaka matihanina. Tokony ho depiote manampahaizana sy nianatra”, hoy i Marc Ramiaranjatovo,

 

 

 

mpahay toekarena, raha nanontaniana ny heviny mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka. Resaka lalàna no hodinihana ka mila olona manana mari-pahaizana ny depiote iray satria tsy vitan`ny tatitra. Ahoana no tena hamadihana izay zavatra hita eny ifotony any amin`ny faritra misy anao ? Izany no fanontaniana hapetraka amin’ireo depiote. Ny ankabeazany eto Madagasikara dia mihevitra fa izay hahatsara ny fiainany no ataony ka manitsaka andraikitry ny ben`ny tanàna, ohatra, ny lalàna… Tokony hiteny izy hoe handray andraikitra izahay hijery ny lalàna rehetra ahafahana manamboatra ny lalana aty amin`ny misy antsika. Anjaran`ny minisiteran`ny asa vaventy na ny kaominina ny fanamboarana izany. Raha manana fari-pahaizana “licence” ny solombavambahoaka dia mandeha tsara ny adihevitra. Nomarihany ihany koa ny resaka kolikoly maro samihafa. Nilaza izy fa tokony ho hita taratra fa mijoro amin`ny maha izy azy ny solombavambahoaka. Tsy tokony hisy ny depiote mandray kolikoly. Ho avy izao ny fanendrena praiminisitra dia ho hita indray fa betsaka ny depiote tsy miankina fa tsy ny antoko matanjaka no hanana ny maro an`isa ao amin`ny Antenimieram-pirenena. Ahoana indray no hisintonana ny tsy miankina amin`izay fanendrena minisitra ? Ny kolikoly tsy hita maso fa any ambadika any. Manao antso amin`ireo depiote tsy miankina ny tenany. Tsy miankina no nahafantaran`ny mpifidy anao, ka tokony hijanona ho tsy miankina mandritra ny fe-potoam-piasana. Notsiahiviny fa tsy miankina no nirotsahany ho  ben`ny tanàna ao Alasora kanefa nanao izay vitany izy saingy tsy nisarangotra amin`ny antoko politika fa miasa ara-dalàna. Inona no tsy hanaovan`ny depiote an `izay ? Mila mijoro ny depiote amin`ny hevitra sy fomba fiaraha-miasa dia amin`izay na ny olona nifidy azy mahita fa depiote tsy miova hevitra.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana