Dans la mme rubrique

Fifidianana Depiote Toamasina I Tsara toerana ny kandidan’ny TIMK25

22/05/2019

Mitohy ny fitsidiham-paritra sy fampielezan-kevitra ataon’i Marc Ravalomanana, ka toerana maro no nandehanany ny fiandohan’ny herinandro teo, toa an’i Tsiroanomandidy, Mahavelona, Mahasolo, Ankadinondry Sakay, …

Fifidianana Depiote Toamasina I Tsara toerana ny kandidan’ny TIMK25

Hamaky ny tohiny...

Tiako i Madagasikara Hitory an-dRajoelina…

22/05/2019

Miandry izay ho fihetsiky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny Antoko Tiako I Madagasikara manoloana ny propagandy ankolaka ataon’ny filoha manohana ny kandidan’ny IRD.

Tiako i Madagasikara Hitory an-dRajoelina…

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

22/05/2019

Mazava ny zava-misy fa tsy mahatoky tena i Andry Rajoelina sy ny kandida depioten’ny IRD ka manomboka manararao-pahefana sy mitady ny hevitra rehetra hibatana ny fandresena.

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

Hamaky ny tohiny...

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

22/05/2019

Ireo toerana hitany fa tena malemy na mety ho resy ny kandidany no hanaovan’i Andry Rajoelina propagandy an-kolaka, toy ny tao Tsiroanomandidy sokajiana ho tokotanin’ny TIM.

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

Hamaky ny tohiny...

Fandikan-dalàna anaty fifidianana Miandry ny CENI sy HCC hihetsika

22/05/2019

Ny 17 mey teo no nanamarika ireo komity mpanara-maso ny sata mifehy ireo kandida ho depiote nampanao sonia ilay antsoina hoe “Toky nomena”

Fandikan-dalàna anaty fifidianana Miandry ny CENI sy HCC hihetsika

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

21/05/2019

474 tapitrisa ariary ny tetibola natokan’ny fanjakana Japoney amin’ny tetikasa iray hanampiana ara-pitaovana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba ho fanampiana azy amin’ny fikarakarana ny fifidianana.

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

Hamaky ny tohiny...

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga

21/05/2019

Mbola baraingo ny mety ho endriky ny Antenimieram-pirenena aorian`ny fifidianana.

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tsy fitanilana amin’ny antokom-pivavahana Lasa adihevitra indray ny fihetsiky ny Filoha

01/04/2019

Resabe teto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fanilihana ny resa-pivavahana sy finoana nandritra ny fianianan’ny filoha ankehitriny ny 19 janoary 2019.

 

 

 

 Navoitra tamin’izany ny fanajana ny fisarahan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny resa-pivavahana na ny « laicité de l’Etat ». Gaga sy talanjona indray ny rehetra fa nifanohitra tamin’io ny zava-niseho  teny Anatirova nisian’ny fotoam-pivavahana nisaraisan’ny lohandohan’ny mpisorona eto amin’ny firenena notarihin-dRajoelina ny 27 janoary 2019, nilazany fa zava-dehibe loatra ny hanankinana amin'Andriamanitra ny fiainam-pirenena. Ny zavatra rehetra dia hankinintsika amin'ny Finoana..., Sambatra isika manana an'i Jesoa Kristy amin'izany. Samy hafa ny fomba firesaka tao anatin’ireo toe-javatra roa ireo. Ny zavatra anankiray manitikitika ny sain’ny olona sasany dia ny hahatongavan’ny Papa François eto amintsika amin’ny volana septambra. Tsy izay no olana satria miandrandra mafy izany ny mpino kristianina katolika, ary maro ihany koa ny liana. Tsy misy tokony hahaseriny an-dRajoelina amin’ny fidokafana sy fikarakarana manokana, raha tena manaja ny tsy fiandanian’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fivavahana tokoa izy. Ao anatin’ny finoana katolika izy fa raha mihevitra ny tenany ho filohan’ny Malagasy rehetra izay tsy katolika ihany fa misandrahaka amina antokom-pinoana sy antokom-pivavahana samihafa, dia mitandrina bebe kokoa. Tena marina sy tsy azo lavina, fa reharehan’ny firenentsika ny mampiantrano ny Papa, izay sady filoham-panjakan’i Vatican saingy mitady ho lasa fitaovana politika hireharehan’ny filohantsika izany ankehitriny.

Toky R

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana