Dans la mme rubrique

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

TIMK25 Avaradrano Hahazo depiote roa no fanamby

01/04/2019

Nisy ny toromarika nomena teo anatrehan’ny tsy fitovian-kevitra nampifanolana ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny Antoko Tiako I Madagasikara Avaradrano

 

 

 tamin’ny fandrotsahana kandida depiote, ka nidina ifotony nifampiresaka tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona Atoa Ramboavelo Andrianantenaina Jocelyn Willy, izay « chief of staff » eo anivon’ny Antoko TIM. Tsy nisy olana ny lohalisitra izay Atoa Randriambolaina Gerry, fa ny lisitra faharoa sy ny mpisolo toerana kosa no nisy fiovana taorian’ny didin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC dia ny « Arrêt n°21-HCC/AR » nivoaka ny 22 martsa 2019, izay nanapaka fa lisitra voalohany ao Avaradrano Randriambolaina Gerry, ary lisitra faharoa manaraka azy kosa Andrianatsifonantsara Haja. Mpisolo toerana kosa Rakotondrasoa Georges sy Rasoamanandraibe Nomena. Anarana hafa no teo amin’ny lisitra faharoa sy ny mpisolo toerana teo aloha. Somary nampisy olana izany saingy tonga tamin’ilay fomba fiteny hoe ny hisavorovoroan-kilantoana izahay tety Avaradrano, fa efa milamina tanteraka, hoy Atoa Andrianantsifonantsara Haja. Nisy moa ny fihaonana sy fifanomezam-baovao natao tao amin’ny Akanintsoa Ankadikely Ilafy ny tolakandron’ny sabotsy teo nanazavana fa miravona ny karazana tsy fitovian-kevitra ary iray tsy mivaky ny ekipa. Tao anatin’izany rahateo no niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby ny kandida lohalisitra Randriambolaina Gerry fa betsaka ny zavatra nifamahofaho teo aloha fa efa nisy ny fifampiresahana satria ny tanjona dia iray dia ny hibatana ny fandresena, ka hiaraha-manao ny hetsika rehetra manomboka izao. Manamafy ny heriny ny TIMK25 Avaradrano, ka ny hanao pao-droa no tanjona.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana