Dans la mme rubrique

Akoho amam-borona Mbola vitsy mpaka na dia nihena aza ny vidiny

25/06/2019

Anisan’ny fety tena manan-danja ho an’ny Malagasy ny 26 jona izay hankalazaintsika afaka rahampitso.

Akoho amam-borona Mbola vitsy mpaka na dia nihena aza ny vidiny

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Manarintsoa sy Andavamamba Ankizy miisa 300 nizarana arendrina sy vatomamy

25/06/2019

Ho fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona sy ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy dia nizarana arendrina sy vatomamy avokoa omaly ireo ankizy miisa 300 ao anatin’ny fokontany Manarintsoa sy Andavamamba.

Fokontany Manarintsoa sy Andavamamba Ankizy miisa 300 nizarana arendrina sy vatomamy

Hamaky ny tohiny...

Ravao Mpanotra etsy Sabotsy Namehana Nijery ny zaza kamboty sy sahirana indray

25/06/2019

Mitohy ny asa sosialy fanaon-dRtoa Ravao mpanotra etsy Sabotsy Namehana, efa nandritra ny 40 taona izao, rehefa ankatoky ny andro fety tahaka izao.

Ravao Mpanotra etsy Sabotsy Namehana Nijery ny zaza kamboty sy sahirana indray

Hamaky ny tohiny...

Voafonja eto Madagasikara “Tokony hampahafantarina ny antony amonjana azy !”

24/06/2019

Niaro ny tsenan’ny tantsaha Namontana, resaka Andrefan’Ambohijanahary ary ity farany ity momba ny kianjan’Anosizato.

Voafonja eto Madagasikara “Tokony hampahafantarina ny antony amonjana azy !”

Hamaky ny tohiny...

Fidinan’ny vidin-tsolika Tsy mampiova ny saran-dalana hatreto

24/06/2019

Efa nilaza ny mpitatitra sasany fa kely ny fidinan’ny vidin-tsolika, ka tsy ahafahana mampidina saran-dalana, izay midika fa tsy nisy fiantraikany aloha hatreto.

Fidinan’ny vidin-tsolika Tsy mampiova ny saran-dalana hatreto

Hamaky ny tohiny...

Zaza very, olona tsy hita Misy ambadika politika ?

24/06/2019

Ekena fa tena misy ny fakana an-keriny, izay fikatsahana tombontsoa ara-bola amin’ny endriny maro samihafa no tanjona, na io vola takalon’aina na varotr’olona tsotra izao, mety hanaovana trafikana taova ihany koa izay tsy mbola nahitana porofo mivaingana avy amin’ny mpanao fanadihadiana aloha hatreto.

Zaza very, olona tsy hita Misy ambadika politika ?

Hamaky ny tohiny...

Fametavetana zaza tany Nosy Mitsio Miantso ny Soisa hijery ny raharaha ny GIHTNB

24/06/2019

Mipoitra indray ny raharaha fametavetana ankizy kely any Nosy Mitsio, Nosy-Be, izay mahavohirohy teratany Soisa iray. Taorian` ny fivoahan` ity resaka ity tamin` ireo haino aman-jery,

Fametavetana zaza tany Nosy Mitsio Miantso ny Soisa hijery ny raharaha ny GIHTNB

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fitsaram-bahoaka mirongatra indray Mariky ny fahasosoran’ny olona

26/03/2019

Aina solon’ny aina. Miverina amin’ny lalàna tranainy indrindra ny Malagasy. Tsy mahatohitra ny fitsaram-bahoaka ny mpitandro filaminana. Ireto farany indray no ifatraran’ny haterezan’ny mponina. Lehilahy iray 24 taona no maty tsy tra-drano nataon’ny mponin’i Papango.

 Niakatra fampanoavana omaly ireo lohandohan’ny mpisorona. Taorian'ny nahitana ny fatina vehivavy iray tao anaty honahona tao an-tanànan'i Papango ao Ikongo ny alakamisy 21 martsa teo, nisy ny fisavana trano nataon'ny fokonolona teo an-toerana. Tamin'izay indrindra no nisy lehilahy iray antsoina hoe  : “Nirina” nilefa nandositra vao nahita ireo fokonolona. Raikitra ny fifanenjehana ary vao tratran'ny fokonolona ity lehilahy ity dia nofirain'izy ireo ny antsy ka maty. Nanao izay ho afany ihany ny polisy kanefa be no ho vitsy ka tsy nahavonjy azy. Nisy olona roa voasambotra ahiana nitarika izao fitsaram-bahoaka izao. Nikasa ny mbola haka ireo voatazona tao amin'ny biraon'ny polisy indray anefa ny fokonolona fa tsy nanaiky ny polisy. Nisy ny fifanazavan-dresaka natao niaraka tamin'ireo Ampanjaka teo an-tanàna ka nihemotra tamin'ny hevi-dratsiny ireo fokonolona. Nizotra araka ny tokony ho izy ny famotorana, ary efa natolotra ny fampanoavana omaly alatsinainy 25 martsa ny raharaha miaraka amin'ireo olona efatra voakasika. Efa milamina ny toe-draharaha ankehitriny ao Ikongo. Anisan’ny firenena nanao sonia ny fanajana ny zon’olombelona i Madagasikara, indrindra ny tsy fanekena ny ho fanamelohana ho faty ka mitodika amin’ireo tompon’andraikitra mahefa manoloana izao fitsaram-bahoaka izao ny mpanara-baovao.Ny kolikoly izay mahavotsotra ny mpanao ratsy sy ny valifaty mantsy no mahatonga ireo fokonolona manatanteraka ny fitsaram-bahoaka.Fanehoana fahasosorana na fahatezerana ny fitsaram-bahoaka amin’ny ankapobeny ka miseho amin’ny alalan’ny fikasihan-tanana sy famonoana ho faty mihitsy aza na koa fanapotehana fanana tahaka ny nanjo ny biraon’ny Jirama Antalaha ny herinandro lasa teo.Manomboka miha mahazo laka amina faritra maro indray ny fitsaram-bahoaka tato ho ato izay raha toa ka efa tonitony izy io teo aloha teo.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana