Dans la mme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Hanaraka ny dian-dRajaonarimampianina…

26/03/2019

Toerana 151 no hiadiana etsy amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Raha ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4,

 

 dia ny vondrona parlemantera maro an’isa no manolotra ny anaran’ny praiminisitra, raha ny voalazan’ny andininy faha-54. Lojika be raha manao ny faraheriny sy mety manao ny tsy fanao ny fanjakana ankehitriny hahazoana ny maro an’isa tsy azo hozongozononina. Taratr’izany ny fampitondrana ny anaran’ny vovonana handrotsahana depiote, izay mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’ny andininy faha-48 sy faha-49 ao anatin’ny lalàmpanorenana. Marina fa izy ireo izao no eo amin’ny fitondrana, saingy mety ho sarotra ny hahazoany ilay maro an’isa. Mety handiso ny kajikajy ny fisian’ireo kandida mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana, izay miisa 500 mahery, raha toa ka 300 mahery kosa ny atolotry ny antoko na vovonana politika. Raha tarafina amin’ny fifidianana depiote tamin’ny taona 2013, dia ny kandida tsy miankina no nahazo ny maro an’isa tamin’io fotoana io. Raha mbola izay no hiseho dia handeha ny fikaotiana ireo depiote, mba hirona any amin’ny fanohanana an-dRajoelina, tahaka ny tamin’ny andron-dRajaonarimampianina. Raha ny zava-misy amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, dia misy toe-javatra maromaro mety hanaratsy endrika sy hampihen-danja ny fitondrana ankehitriny tarihin-dRajoelina, toy ny tsy fanajana ny fifandanjana ara-paritra eo amin’ny firafitry ny governemanta izay nandiso fanantenana ny any amin’ny faritra, tena nampandany azy. Ny tsy fitazonana ny teny nomena tamin’ny fampanantenana maro samihafa tahaka ilay hoe vao tonga eo, dia hiakatra 200 000Ar ny karama farany ambany. Ny endrika tsy fahafehezana ny firenena, toy ny tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, delestazy lavareny,… Mazava ho azy, fa raha tsy mahazo maro an’isa tena azy Rajoelina, dia mety hizotra amin’ny politikan’ny HVM amin’ny alalan’ny fividianana olona, ka hiverina indray ny “malety”. Vao mainka hampalemy ny fitondrana anefa izany, ary hihorohoro sy ho tratry ny sabotazy matetika noho ny mety ho fitsidimbadihan-drasa matetika ao Tsimbazaza.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana