Dans la męme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ravalo sy ny kandida TIM Mandresy no toromarika

21/03/2019

Tsy mipetra-potsiny fa tena manomana sy miketrika mafy ny hibatana fandresana amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 27 mey ho avy izao ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

 

 

 Mandeha ny fifanomezana toromarika mba hampahomby izany, ka omaly ohatra, dia nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra teo aminy sy ireo kandida solombavambahoaka vitsivitsy nahitana an-dry Hanitra Razafimanantsoa mirotsaka eny amin’ny Boriborintany I eto Antananarivo, Ralambozafimbololona Fetra eny amin’ny Boriborintany faha-5, Todisoa Andriamampandry eny amin’ny Boriborintany faha-6, Fidèle Razarapiera any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka,… Mbola anatin’ny « Pré-campagne » isika amin’izao fotoana izao, ary maro ny hetsika samihafa hoentin’ireo kandida mampahafantatra bebe kokoa ny tenany sy ny ekipa miaraka aminy. Ho an’ny amin’ny Boriborintany faha-6, ohatra, dia nidina ifotony nijery ny olana sy nihaino ny tarainan’ny vahoaka teny Ankazomanga Atsimo ny kandida Todisoa Andriamampandry omaly, izay notsenain’ny mpitarika ny FOKOTIM sy  ireo vahoaka marobe no niaraka nitsena sy nanoro ny toerana maharary azy noho ny rano miakatra tsy mivoaka, làlam-bahoaka misy mitady hamefy, vahoaka sarahina tsy fidiny. Andao hojerena izany, hoy ity kandida lohalisitry ny TIM ity. Ho an’ny Boriborintany faha-5 dia hisy kosa anio ny fizahana ara-pahasalamana maimaim-poana arahina fanafody hotanterahin-dRalamambozafimbololona Fetra sy ny ekipany hatao eny Soavimasoandro ho an’ny anio. Mba hanampiana ny olona satria tena sarotra ny fitsaboana amin’izao vaninandro iainantsika izao, ary tsy vao izao rahateo ny tenany no mpanao izany, fa efa ho am-polo taonany no nitondra izay anjara biriky nahafaha-nanampy ny mpiara-belona, ary hitondra ny feony sy hiady ho azy ireo eny amin’ny antenimiera. Miavaka ary tena vonon-kandresy ny kandida natolotry ny antoko TIM  manerana an’i Madagasikara tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy hikoso-maso eo anatrehan’ny karazana hetraketraka sy kajikajy politika, ary fanamby goavana hapetraka ny hibata toerana maro.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana