Dans la mme rubrique

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’ny Arendrina Matin’ny vita sinoa ny vita Malagasy

24/06/2019

Mitaraina ireo mpivarotra. Mikaikaika noho ny hafitsoky ny Sinoa ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy eto amintsika. Maty mantsy ny tsenan’izy ireo ary zara raha misy mividy,

Tsenan’ny Arendrina Matin’ny vita sinoa ny vita Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

21/06/2019

“Voararan’ny lalàna ny manala baraka olona sy miteniteny foana, fa endrika tsy fanajana ny zo fototra maha olombelona”, hoy Razanatahina Florence,

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

21/06/2019

Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, ny Ambasadaoron’i Alemaina, Atoa Gehrig Harald mivady, ka tonga nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian.

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualits

JIRAMA Antalaha Nodoran’ny olona leon’ny delestazy

21/03/2019

Nodoran’ny olona ny Biraon’ny Jirama ao Antalaha omaly noho ny tsy fahafalian’ireo mpanjifa noho ny delestazy mampikolay azy, ka hotohoton’ny afo tanteraka.

 

 

 

Ny delestazy misy foana kanefa ny faktiora etsy andaniny tsy mifanaraka amin’izany, hoy hatrany ny fanamarihana. Nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary no efa nisy io fahatapahan-jiro matetika io satria tsy misy famokarana afa-tsy 950 KW ao an-toerana kanefa  1800 anefa ny filana. Nampahafantatra moa ny eo anivon’ny Jirama fa hiainga ao Toamasina anio alakamisy faha 21 martsa ny « groupes » vaovao miisa 2, izay afaka mamokatra herinaratra 500 KW avy. Heverina ho tonga any amin’ny seranan’Antalaha ny alatsinainy 25 martsa izany hamahana ny olana ankehitriny, saingy tsy nahandry izany ireo olona. Ny volana febroary, no efa niainga teto an-drenivohitra, nihazo ny lalana mankany Antalaha ireto « groupes » ireto, fa noho ny haratsian’ny lalana tao Daraina, dia voatery niverin-dàlana ka izao halefa sambo izao, hoy hatrany ny Jirama. Ankoatra ny vahaolana amin’ny fandefasana ireo « groupes » roa ho an’Antalaha ireo, dia tsara ny mampahatsiahy, fa anisan’ny hahazo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny alalan'ny masoandro sy ny solika na « centrales hybrides solaires » ao anatin’ilay tetik’asa hametrahana « 45 centrales hybrides » Antalaha, raha ny nambaran’ny Jirama hatrany. Heverina hanomboka ny volana jolay ho avy izao ny fanatanterahana izany tetikasa izany.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana