Dans la mme rubrique

Vono olona matetika tany Andapa Tsy mahazo mivoaka ny trano ny ankizy rehefa folakandro

15/07/2020

Tsy mahazo mivoaka ny trano intsony ny zaza tsy ampy taona rehetra manomboka amin’ny 02 ora folakandro any amin’ny distrikan’Andapa.

Vono olona matetika tany Andapa Tsy mahazo mivoaka ny trano ny ankizy rehefa folakandro

Hamaky ny tohiny...

ITAOSY Tratra ilay tovovavy mpanendaka olona marefo

30/06/2020

Ela ny nitoratorahana ilay tovovavy iray mpanendaka sy mpisoloky eny amin’iny faritra Itaosy Atsimondrano iny omaly Alatsinainy. Raha araka ny loharanom-baovao mantsy dia hataon’izy io mahita faisana mihitsy ireo ankizy madinika sy olon-dehibe hitany fa marefo.

ITAOSY Tratra ilay tovovavy mpanendaka olona marefo

Hamaky ny tohiny...

Soavadia - Toliara Sinoa voatafika, lasa ny volabe

24/06/2020

Teratany Sinoa iray monina ao Toliara no nisy nanafika tao an-tranony miditra ao an-dakoron’ny lisea Laurent Botokeky ao amin’ny fokontanin’i Soavadia Toliara ny harivarivan’ny alatsinainy 22 jona 2020 mbola andro mazava tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tany ho any.

Soavadia - Toliara Sinoa voatafika, lasa ny volabe

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana grossiste sy cash point Olona 5 no efa voasambotra

17/06/2020

Lehilahy miisa 03 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny BC4 Anosy ny 13 jona lasa teo teny 67 ha sy Ambatobe noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana.

Fanafihana grossiste sy cash point Olona 5 no efa voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Ambohimirary Vehivavy iray hita faty efa tsy nisy taova intsony

03/06/2020

Nampalahelo ny zava-nitranga teny Ambohimirary ny alatsinainy teo. Ramatoa iray manodidina ny 44 taona no hita faty teny an-toerana izay efa tsy nisy taova intsony.

Ambohimirary Vehivavy iray hita faty efa tsy nisy taova intsony

Hamaky ny tohiny...

Ifotaka – Amboasary atsimo Manjaka ny dahalo, miantso vonjy ny mponina

03/06/2020

Mitaraina mafy sy miantso vonjy ireo mponina any Ifotaka ao anatin’ny Distrikan’Ámboasary atsimo fa tena manjaka ny dahalo .Halatr’ómby, Fanafihana mitam-piadiana ,

Ifotaka – Amboasary atsimo Manjaka ny dahalo, miantso vonjy ny mponina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny dahalo ambony latabatra “Rehefa miova ny toe-tsaina, mihena ny kolikoly”

02/06/2020

Nisy ny fanambarana niombonana nataon` ireo Minisitra misahana ny fandriam-pahalemana sy ny fitsarana nanambara tamin'ireo Solombavam-bahoaka, ny herinandro lasa teo,

Ady amin`ny dahalo ambony latabatra “Rehefa miova ny toe-tsaina, mihena ny kolikoly”

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna Basy mahery vaika 4 nisy nanatitra tany amin’ny zandary

19/03/2019

Ati-pako! Tamin’ny zoma tapaky ny volana martsa teo no nisy nanao ati-pako ny basy kalaknikov roa, fa ny 2 hafa kosa mpitana ireny fitaovam-piadiana ireny efa nahazo alalana tany aloha no nanatitra izany teo amin’ny zandary,

 araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Ratsimandrava.  Mba tsy hahavoarohirohy ireo mpitana basy tsy ara-dalàna dia nateriny tsy lavitra ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny kaominina Fenoarivo, distrika Ambatofihinandrahana ny fitaovam-piadiana basy kalachnikov  roa, sahabo tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nampilaza ny zandary tamin’ny laharana miafina ilay nanatitra mangingina ny basy ka tonga naka izany ireo mpitandro filaminana ary nanatitra azy tao amin’ny toerana fanatobiana ireo basy. Teo Ambotofinandrahana, renivohitry ny Distrika kosa indray, nampita hafatra tamin’ny antso an-tariby ny mpitana basy tany aloha fa hanatitra azy ireny any amin’ny toeram-piasan’ireo mpitandro filaminana. Noraisin’ireo zandary tao amin’ny toby kaompania teo an-toerana ny basy kalachnikov vita sinoa iray sy ny basy mahery vaika iray hafa marika MAS 36.  Naterina tany amin’ny ivon-toerana fitehirizam-basy ihany koa ireo fitaovam-piadiana avy amin’ity mpanatitra an-tsitrapo ity. Araka ny lalàna velona izay noentanina efa hatramin’ny taon-dasa ka nandorana ireo fitaovam-piadiana azo, teo amin’ny tokontanin’ny Lapan’ny Tanana, tsy misy arakakaraka ireo mpitazona izany tsy ara-dalàna raha manatitra an-tsitrapo, tahaka ireto tao amin’ny Distrikan’Ambatofihinandrahana izao. Izao no notanterahina moa dia mba hampilamina ny fandriampahalemana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana