Dans la mme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote tsy miankina tsy voafehy Hampalemy ny fitondrana, hoy ny ALDR

19/03/2019

Hanitsy sy hametraka ny hasin’ny solombavambahoaka no antony hidiran’ny vondrona politika antoka sy lamina dieny izao ho an’ny raharahanao na ALDR ao anaty antenimieram-pirenena hoy ny mpikambana sady kandida ho solombavambahoaka ao Atsimondrano, Jean Ignace Randrianirina na Ramasy

 

 

. Tsy vao izao akory izahay no niatrika fifidianana ary tsy dadabenoely fa hampianatra ny olona handray andraikitra. Heverinay fa io fitaizana io dia nahomby tao anaty fanomananay izao fifidianana izao tao anatin’ny 5 taona. Izahay raha manao hetsika dia tsy nanao maimaimpoana, hoy hatrany ny tenany, fa niezaka nampandray anjara kely ny vahoaka hatrany mba hahafahan’izy ireo mahatsapa fa tena tompony amin’ny fampandrosoana nandraisany anjara izy. Ho ahy manokana dia mila antenimieram-pirenena matanjaka isika fa tsy ho voavidy vola intsony satria rehefa ny vola no manjaka dia lojika raha malemy ny fitondrana. Tsy manana antoko politika matanjaka isika ary tokony haverina ny hasin’ny antoko politika satria rehefa tsy voafehy ireo tsy miankina be dia be dia malemy ny fitondrana mijoro.

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana