Dans la mme rubrique

Aferana Boaderozy 27 740 isa Lasa any Singapour ny minisitra Georget

22/05/2019

Lasa any Singapour nanomboka ny 17 mey teo ny minisitry ny tontolo iainana Alexandre Georget, ary hiverina eto ny zoma 24 mey 2019.

Aferana Boaderozy 27 740 isa Lasa any Singapour ny minisitra Georget

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pitsarana Olala Andrasana hivaly rahampitso

22/05/2019

Rahampitso no andrasana hivaly ny raharaham-pitsarana mikasika ilay fitoriana miisa 4 niampangan’ny avy eo anivon’ny olafitry ny

Raharaham-pitsarana Olala Andrasana hivaly rahampitso

Hamaky ny tohiny...

Foiben’ny Antoko HVM Lasan’ny fiangonana FVKFM

22/05/2019

Lasan’ny fiangonana FVKFM ny foiben-toeran’ny antoko HVM tetsy Antanimena, ary efa nohavaozina sy niova loko tanteraka.

Foiben’ny Antoko HVM Lasan’ny fiangonana FVKFM

Hamaky ny tohiny...

Firenena afrikanina mpamokatra solika Hihaona amin` ny volana novambra

22/05/2019

Minisitra miisa 17 avy amin`ireo firenena tena mpamokatra angovo eto Afrika no hihaona mandritra ny hetsika “Herinandron`ny solika” any Cap-Vert ny 4 ka hatramin'ny 8 novambra 2019.

Firenena afrikanina mpamokatra solika Hihaona amin` ny volana novambra

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly sa gaboraraka Gadra mandra-pahafaty 2 lahy tafavoaka ny fonja

22/05/2019

Tafatsoaka ny fonjan’i Vohitany kaominina Ejeda Toliara ny alin’ny zoma 17 mey i Alain Zaheraly Rostand na Karana sy Eric Mario na Rambô.

Kolikoly sa gaboraraka Gadra mandra-pahafaty 2 lahy tafavoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...

Fidirana an-tsokosoko an’i Madagasikara Afrikanina 14 voasambotra

21/05/2019

Misy teratany Afrikanina miditra an-tsokosoko amin’ny sisin-tanin’i Madagasikara amin’iny ilany Avaratra Andrefana iny. Miafina any anaty ala izy ireo, ary vehivavy ny ankamaroany. Avy atsy Kaomoro, Kameronina, Guinée,…

Fidirana an-tsokosoko an’i Madagasikara Afrikanina 14 voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana rongony eto Antananarivo 4,5 kg no tratra tao anaty taksiborosy

21/05/2019

Rongony 4.5kg no tratran’ny barrage_routier an’ny mpitandro ny filaminana teo Tombotsoa, Antsirabe ny 17 mey lasa teo tokony ho tamin’ny 04 ora maraina.

Trafikana rongony eto Antananarivo 4,5 kg no tratra tao anaty taksiborosy

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Zon’ny fokonolona eto Madagasikara Ho atao ady sisika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

18/03/2019

Nifarana ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny restaurant Tsiky Ambohijatovo ny fivoriambe mikasika ny tatitra fanao isaky ny 4 taona momba zon’ny fokonolona eto Madagasikara.

 

 

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny tambazotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary eto Madagasikara na Tafo mihaavo, Louis de Gonzague Razanadraibe, dia mbola maro izay endrika tsy fanajana ny zon’ny fokonolona mitranga eto amintsika izay. Isan’ny tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny fitantanana ireo ala voajanahary satria misy amin’ireo mpanao kolikoly manana taratasy fahazoan-dalana no lasa manao izany ho fahefana ahafahany tsy manara-dalàna. Misy toerana potika ny 75%n’ny ala honko ao aminy vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany kanefa io ala io, hoy izy, no miantoka ny fiveloman’ireo fokonolona ao amin’ilay fiarahamonina no sady miaro ny tontolo iainana. Ny 2%n’ny volam-panjakana ihany no mipariaka amin’ireo rafitra mifandray amin’ny eny ifotony toy ny fiadidiana ny faritra sy kaominina ary fokontany saingy ny ambiny dia mijanona any ambony any daholo.  Voalazan’ny lalàm-panorenana ao amin’ny andininy faha 152 fa ny fokonolona no andry iankinan’ny fitantanana ny ala voajanahary ka aiza, hoy ny tenany, ny fampiharana izany. Tapak’ireo mpizaika 40 isa moa fa ho tohizana ny ady sisika mikasika ity raharaha ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana