Dans la mme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

10 aty aorian’ny fanonganam-panjakana Niha nahantra ny Malagasy

18/03/2019

17 martsa 2009 - martsa 2019 . Folo taona katroka omaly ny fivoriana teny amin’ny Episcopat Antanimena, nahitana ny FFKM, sehatra iraisam-pirenena sy ireo mpanao politika, iny ilay fanonganam-panjakana nahafahan’i Andry Rajoelina niakatra teo amin’ny fitondrana,

 

 

 tamin’izany fotoana; fanadrombahana fahefana satria tsy nisy fifidianana.Teny mahery, narahana fihetsika mamoafady sy fandrangarangana basy no natao ny Raiamandreny am-panahy filohan’ny FJKM ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina. Voatrerona ihany koa ireo manamboninahitra jeneraly, nahazo ny anjarany torak’izany ny masoivohon’I Etazonia Niels Marquardt,... Ireo miaramila mpiara-dia tamin’I Andry Rajoelina tamin’izany fotoana no nahavita nanao izany rehetra izany nahitanan-dry kolonely isany Charles Andianasoavina sy Noel Rakotonandrasana, izay efa lasan-korazana moa ity farany. Samy nahatsapa tato aoriana kely, nandritra ny fitondrana tetezamita ihany izy mirahalahy ireo fa nentina tany amin’ny lalan-diso ny firenena, ary tsy araka ny niheverana azy hoe hitondra fiovana, ka nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana filoha farany teo. Fisamborana sy fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena, trafika isan-karazany (hazo sarobidy, omby, volamena…) no nanamarika ny tetezamita. Tapaka tamin’ny ampahany betsaka ny famatsiam-bola, sempotra ireo mpandraharaha Malagasy, ankoatra ny olom-bitsy ( Karana, Sinoa, Malagasy) akaikin’ny fitondrana tetezmita ka niha nitombo harena haingana dia haingana ary nanomboka nanao ampihimamba ny fandraharahana rehetra teto. Nandova io fery navelan’ny tetezamita io ny fitondrana HVM, niezaka ihany saingy tsy nahovoka firy, izay nibaribary rahateo fa zaza navelan’ny HAT, ka maro ny zavatra nitoviana. Tsy mbola nahazo ny fitokisan’ny mpamatsy vola fa na dia natao litania sy resabe isan-kerinandro aza ny hoe tafaverina eo amin’ny toerany eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena I Madagasikara. Tsy hita popoka hatreto ilay hoe 10,6 miliara dolara natao sonia tany Paris ny fiandohan’ny volana desambra 2016. Tsy nifankahitana ny sangodim-panina politika, tsy nisy fampihavanam-pirenena nandeha tamin’izay laoniny fa karazana haingon-trano ny CFM, endrikendrika fizarana seza  no tsapa fa nisy tao. Fehiny, efa nahatratra 7,2% ny fitomboan’ny harinkarena tamin’ny fitondrana Ravalomanana, lasaka aty amin’ny 5,1% izany 10 taona aty aoriana…na dia efa nanana ny tetikasa goavana MAP aza I Madagasikara dia tsy nahatratra ny tanjon’ny taona arivo fahatelo (OMD) satria tsy vita hatramin’ny farany io. Nanodidina ny 67% ny tahan’ny fahantrana nandritra ny fitondrana Ravalomanana, lasa  77,60 % izany amin’izao fotoana, raha raaisina amin’ilay hoe olona miaina latsaky 1,90 dolara isan’andro araka ny fenitra iraisam-pirenena. Mbola mariky ny fitomboan’ny fahantrana ny firongatry ny tsy fandriamahalemana, sy ny firoborobon’ny mpivarotra amoron-dalana… Indrisy fa lasa entam-barotra hatramin’ny zanaka menaky ny aina ankehitriny; noho ilay fahantrana. Matoa nanongam-panjakana, dia tokony hahavita tsara kokoa noho ilay naongana kinanjo fahapotehana tsy roa aman-tany no nisy. Nitombo ny fahasahiranan’ny Malagasy tato anatin’ny 10 taona , ary tsy ny fampanantenana hanangana Building no vahaolana amin’io !

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana