Dans la mme rubrique

Fifidianana Depiote Toamasina I Tsara toerana ny kandidan’ny TIMK25

22/05/2019

Mitohy ny fitsidiham-paritra sy fampielezan-kevitra ataon’i Marc Ravalomanana, ka toerana maro no nandehanany ny fiandohan’ny herinandro teo, toa an’i Tsiroanomandidy, Mahavelona, Mahasolo, Ankadinondry Sakay, …

Fifidianana Depiote Toamasina I Tsara toerana ny kandidan’ny TIMK25

Hamaky ny tohiny...

Tiako i Madagasikara Hitory an-dRajoelina…

22/05/2019

Miandry izay ho fihetsiky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny Antoko Tiako I Madagasikara manoloana ny propagandy ankolaka ataon’ny filoha manohana ny kandidan’ny IRD.

Tiako i Madagasikara Hitory an-dRajoelina…

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

22/05/2019

Mazava ny zava-misy fa tsy mahatoky tena i Andry Rajoelina sy ny kandida depioten’ny IRD ka manomboka manararao-pahefana sy mitady ny hevitra rehetra hibatana ny fandresena.

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

Hamaky ny tohiny...

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

22/05/2019

Ireo toerana hitany fa tena malemy na mety ho resy ny kandidany no hanaovan’i Andry Rajoelina propagandy an-kolaka, toy ny tao Tsiroanomandidy sokajiana ho tokotanin’ny TIM.

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

Hamaky ny tohiny...

Fandikan-dalàna anaty fifidianana Miandry ny CENI sy HCC hihetsika

22/05/2019

Ny 17 mey teo no nanamarika ireo komity mpanara-maso ny sata mifehy ireo kandida ho depiote nampanao sonia ilay antsoina hoe “Toky nomena”

Fandikan-dalàna anaty fifidianana Miandry ny CENI sy HCC hihetsika

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

21/05/2019

474 tapitrisa ariary ny tetibola natokan’ny fanjakana Japoney amin’ny tetikasa iray hanampiana ara-pitaovana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba ho fanampiana azy amin’ny fikarakarana ny fifidianana.

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

Hamaky ny tohiny...

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga

21/05/2019

Mbola baraingo ny mety ho endriky ny Antenimieram-pirenena aorian`ny fifidianana.

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga

Hamaky ny tohiny...


Politique

TIM K25 Boriborintany faha-2 Vonona tanteraka Rastany sy ny ekipany

18/03/2019

Fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao, fisaorana ny mpanohana tamin’ny ezaka rehetra natao tamin’ny fifidianana filoha fihodinana voalohany sy faharoa, ary ny lehibe indrindra dia ny fanolorana ny kandida depioten’ny antoko TIM eny amin’ny Boriborintany

faha-2, tarihin-dRandrianarisoa Stanislas na «Rastany » eo amin’ny lohalisitra no tontosa teny Ambohitsoa ny sabotsy teo. Atoa Rabenandrasandraravola Tahianjanahary no lisitra faharoa, Atoa Razandrindrainy Longin no fahatelo, ary Rtoa Ravomanana Mamy Nirina no fahaefatra. Ireo lohandohan’ny mpisorona isaky ny fokontany 24, ny avy amin’ny FOKTIM sy DISTIM, ny olom-boafidy sy ny mpanolontsaina monisipaly, ny delege avy amin’ny boriborintany faha-2,… no nisolo tena ny vahoaka.  Tsy manao propagandy sanatria raha milaza fa hatramin’ny naha depiote ahy dia tena nanao asa soa sy asa sosialy, hoy  Rastany. Marina, hoy izy, fa mpanao lalàna mpanao izahay, saingy niaraha-nahita ny tao Tsimbazaza fa na nanana hevitra tahaka ny inona aza ianao hampandrosoana ny firenena, rehefa tsy tian’ny mpitondra ao ambony dia tsy lany. Ny maha depiote sisa dia ny manao tatitra amin’ny vahoaka ny zavatra tsy mety, ary manao izay zavatra tena maika sy laharahampahamehana tsy hitan’ny fanjakana ary nanampy ny kaominina tamin’izay tsy arany. Adidy ataony farany ity sao dia mba hiova izany, fa tsy hanao tahaka ny sasany satria saika hijanona, kanefa viravirain’ny sasany fotsiny ny maha solombavambahoaka, raha ny nambarany. Mbola betsaka, hoy izy, ny zavatra tokony hataoko sy angatahan’ny vahoaka amiko, ka hohezahiko hovitaina amin’ity taom-piasana manaraka ity raha sitrapon’Andriamanitra. «Nahafaly ahy ny nanolotra ny kandida izay Rastany. Ataovy izay hampandaniana azy, fa ny antoko no jerena, ary raha nisy tsy mety na nisy zavatra tsy nahafa-po teo aloha dia ataontsika izay hanintsiana azy fa aza matahotra ianareo , hoy izy. Ataovy izay hisian’ny firaisan-kiana, fa mino aho fa hanao poa-droa isika. Ataovy izay hanentanana ny vahoaka, ary tsidiho daholo ny faritra rehetra”, hoy kosa i Marc Ravalomanana izay niditra tamin’ny antso an-taribia.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana