Dans la mme rubrique

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna

12/06/2019

Vinavinaina ho amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara.

Fifidianana ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

11/06/2019

Mikorotan-tsaina tanteraka ny ray aman-dreny monina eny amin’ny manodidina an’Ambohibao sy Talatamaty ankehitriny.

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

Hamaky ny tohiny...

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MPANAPAKA AN-KASAROTANA

15/03/2019

Eo am-pitadiavana fatratra ireo naman’ilay olon-dratsy izay mpanapaka filahiana ny mpitandro filaminana, raha ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

 

Ny sabotsy 2 martsa no nanendaka sady nanapaka filahiana lehilahy iray ka nitarika fahafatesana ny jiolahy roa, teny Mangarivotra Faravohitra. Ny alakamisy 6 Marsa lasa teo tetsy Besarety, no voasambotry ny Polisy ilay lehilahy iray.  Fantatra ihany koa fa vao nivoaka ny fonja ny volana desambra  lasa teo, nohon’ny resaka fanendahana ihany  ity lehilahy ity no izao tra-tehaka izao indray.

45 TAPITRISA ARIARY VOAROBA

Vola avy tao amin’ny tobin-tsolika iray izay nentina fiara saika haterina tany amin’ny banky no voatafika. Ny talata teo no nitranga teo Ankadimbahoaka izany fanafihana mitam-piadiana izany. Nitondra moto ireo jiolahy manodidina ny enina ary nibahana avy hatrany ilay fiara ihazo an’ny Tanjombato izay misy ny banky. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy rehefa nijanona ny fiara, nanambana ny mpitondra vola izay nahitana ny mpitantana ny tobin-tsolika. Nirifatra nihazo an’ny By pass ny fiarakodiaran-droa an’ireo olon-dratsy rehefa avy nandroba.  Nahatratra teo amin’ny telo hetsy sy dimy ambin’ny efapolo tapitrisa ariary ny vola very.

FANAFIHANA SY FANOLANANA FAOBE

Tokantrano 12 no lasibatry ny jiolahy ny alatsinainy hariva teo Soamanandray ao anatin’ny kaominina Fieferana Avaradrano. An-tapitrisany ny tetibidin’ny zavatra very, roa no naratra ary nanamparan’ireo jiolahy ny filandratsiny ny zaza amam-behivavy. Tsahivina fa latsaky ny 10 km avy eo Ankadikely ity tanana ity.

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana