Dans la mme rubrique

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

Hamaky ny tohiny...

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHARAH-CKIKIY

06/09/2019

Sazy an-terivozona 15 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona izay nanafika sy nikasa ny hifofo ny ain’ilay mpanakanto malaza antsoina hoe Rah-Ckiky.

RAHARAHARAH-CKIKIY

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimanarina

03/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny fampianarana maimaimpoana hiatrehana Bakalorea karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambohimanarina.

TIM Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

02/09/2019

Manomboka mipitika any amin’ny manodidina an’i Mbola Rajaonah ny ra.

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

29/08/2019

Mangataka mba hanakatona vonjimaika ny FJKM Katedraly Analakely aloha ny Pasitera Rasolomanana Jafetra hitrandrahana ny tena marina amin’ny raharaha.

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

Hamaky ny tohiny...

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FAKANA AN-KERINY KANDIDA

15/03/2019

Taorian’ny kidnapping izay kandidà ho solombavam-bahoaka izay handeha hametraka dosie no lasibatra dia fantatra koa omaly fa nisy olona nosamborina rehefa voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’izany.

 

 

 

Tsy iza fa kandidà iray hafa izay tokony hifanandrina amin’ilay voalohany ihany. Efa nosokafana ny fanadihadiana azy ary raha ny fantatra izany dia antony ara-politika ity kidnapping nitranga ity. Na izany aza anefa dia nangataka 40 tapitrisa ariary ho takalon’aina ireo jiolahy. Vola izay saika hanaovana propagandy izany raha izany. 


ASAN-JIOLAHY TENY ATSIMONDRANO

 

Nafana ny asan-jiolahy tao Atsimondrano omaly. Tao ny tranon’olona voatafika ary tao koa ny épicerie izay nasesin’ireo olon-dratsy. Efa-dahy hatrany izy ireo ka manao saron-tava ny roa. Basy sy zava-maranitra no entin’ireo manafika. Tao Bongatsara sy Ambatomalaza ny toerana nanaovan’ireo fandrobàna. Samy nahazoany vola sy entana ary firavaka volamena avokoa. Mihorohoro ny mponina ankehitriny manoloana ireo fanafihana misesy ireo. 

MPANDRAHARAHA MPANAFATRA ENTANA

 

Marobe ny mpandraharaha izay miompana betsaka amin’ny fanafarana entana no hivelomany no mitaraina ankehitriny. Nanohana mafy an-dRajoelina izy ireo ary nanantena fa mba tsy ho voakitika ny tombotsoany dia ny tsy higafiana ny fivoahan’ny entana ao amin’ny ladoany izany. Kinanjo tsy izany no mitranga ankehitriny fa milahatra ny kaontenera izay tsy tafavoaka ao Toamasina hatramin’ny niandohan’ity fitondràna ity. Mahatsiaro tena ho voafitaka izy ireo ary efa mivorivory etsy sy eroa. 

RAHARAHA I-BC

 

Tafapetraka ny fitorian’ny fanjakana avy amin’ny alàlan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny haino aman-jery IBC. Ankoatr’izay dia nohenoin’ny tompon’andraikitra ambony sy ny holafitry ny mpanao gazety. Mbola tsy fantatra izay mety ho sazy ara-pitantanana (sanction administrative) hivoaka taorian’izay.



 

 

MPIASAN’NY PREZIDANSA TAPAKA LALAN-DRA

 

 Mpiasa ambony eo anivon’ny prezidansa no tapaka lalan-drà tampoka any amin’ny lohany ary tsaboina ao Maorisy. Nisy fahatairana tampoka narahin’ny fientanam-po no nahavoa azy raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Vao avy notendrena tale vao haingana anefa izy io ary fantatra koa fa havana akaikin’ny vadin’ny Filoha ihany. Nitsidika azy rahateo io farany tao Maorisy farany teo.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana