Dans la mme rubrique

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

13/06/2019

Efa maro ireo sekoly ankehitriny no mampiasa ny teknôlôjia maoderina, hanamorana ny fampitana ny fampianarana. Betsaka, ohatra, ireo sekoly mampiasa ny solosaina sy ny aterineto.

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

Hamaky ny tohiny...

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

13/06/2019

Nanomboka omaly alarobia 12 jona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ary haharitra 3 andro ny fampirantiana karakarain’ny fikambanan’ireo Injeniera misehatra amin’ny asa topografika na fandrefesan-tany.

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Volobe Toamasina Hamokatra herinaratra 120 MW ny CGVH-Jovena

12/06/2019

Nosoniavina ny 28 mey lasa teo tany Paris ny fifanarahana lasitra momba ny tetikasa famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny tohadrano ao Sahofika.

Volobe Toamasina Hamokatra herinaratra 120 MW ny CGVH-Jovena

Hamaky ny tohiny...

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

12/06/2019

Lany ho praiminisitr’i India indray i Narendra Modi taorian’ny fifidianana ho solombavambahoaka natao tany an-toerana ny volana mey lasa teo tamin’ny alalan’ny antokony izay nahazo toerana betsaka indrindra tao amin’ny kongresy.

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

07/06/2019

Nanomboka omaly ary ho tapitra ny sabotsy ho avy izao ny foaraben’ny ronono andiany fahatelo atao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Zon’ny ankizy Mbola betsaka ireo tsy voahaja eto Madagasikara

06/06/2019

Ny 40,17 %-n’ny mponina eto amintsika dia ankizy vao teraka ka hatramin’ny 14 taona avokoa, raha araka ny antontan’isa nivoaka tamin’ny taona 2016.

Zon’ny ankizy Mbola betsaka ireo tsy voahaja eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

04/06/2019

Natolotra an’i Madagasikara ny 31 mey 2019 tao amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle, Paris, ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataon’ny Bureau de Recherche Géologique et Minière (BRGM)

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Eddy Boaderozy Atao sorona…

15/03/2019

Raha heloka momba ny fanimbana ny ala na “délit forestier” dia inona no idiran'ny Bianco amin’ilay raharaha? Toa lasa sorona samirery ary lasibatry ny fanenjehana ara-pitsarana mety mitanila i Eddy Maminirina,

 

 

 na Eddy boaderozy raha ny fahitan’ny olona manodidina azy. Tsy toy ny afokasoka ny boaderozy ka ho azo hafenina am-paosy, fa hazo mavesatra sy lehibe tsy vitan'olon-tokana. Tamin'ny tetezamita, betsaka ny nanana fahazoan-dàlana, tsy hisy hazo tafavoaka teo raha tsy nomena alalana hanapaka, hitatitra hanondrana,... Ny tetezamita rahateo tsy nisy famatsiam-bola ka mazava ho azy tsy nisy hazo tafavoaka teo raha tsy nandoa vola tamin'ny fanjakana ... I Eddy Maminirina irery no mizaka ny heloka mety niaraha-nanao. Voatazona eny amin’ny fonja ny Tsiafahy  nanomboka ny 12 febroary 2019 rehefa nosamborina teo amin’ny La City Ivandry izy. Ny fanadihadiana natao ny alarobia 6 martsa 2019 vao nampahafantarina azy ny antony nihazonana azy ny fonja na dia ny mifanohitra amin’izay aza no tokony ho nisy. Araka ny voalazan’ny andininy 109 ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka izay mandefa any amin’ny and. 104 hatraminy 107  dia farafahatarany 24 ora nitazonana am-ponja olona iray dia tokony efa niseho teo anatrehan’ny Mpitsara mpanao famotorana izy na tonga dia navoaka avy hatrany ny fonja araka ny voalazan’ny andininy 104 ny amin’io fehezan-dalàna io, ary mbola hamafisin’ny and.105. Nahoana no tsy nisy olona hafa mihitsy nadoboka kanefa tambajotra be io? Eddy Maminirina rahateo efa namoaka anarana nandritra ny fakana am-bavany azy. Manarak’izany, efa nanana lisitr’ireo olona voakasiky ny raharaha boaderozy ny fanjakana Malagasy tamin’ny andron’ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky, ity farany izay nilaza mazava fa tsy hoe ny any anaty ala ihany no misy manao an’io, fa mety efa mitsotsotra tsara eto Antananarivo, hoy izy, ny atidoha sasany amin’io. Nomena ny filoha Rajaonarimaampianina tamin’izy vao nandray fahefana io taratasy io, ka lasa aiza ilay izy. Efa mba nanadihady ny momba izany ve ny fitsarana ?

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana