Dans la mme rubrique

Mirongatra ny asan-jiolahy Zaza amam-behivavy telo lasa takalon’aina

27/02/2019

Toerana samihafa, andro iray. Zaza dimy taona tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania sy tovovavy roa tany amin’ny Faritra Boeny no lasan’ny mpanao ankeriny, tamin’ny alahady teo.

Mirongatra ny asan-jiolahy Zaza amam-behivavy telo lasa takalon’aina

Hamaky ny tohiny...

CB vaovao any Tsaratanana Nofofoin’ny jiolahy sahady ny ainy

21/02/2019

Vao notendrena ho CB na « Chef de Brigade » ao Tsaratanana, ny CP, Chef de poste avancé tao Sarobaratra.

CB vaovao any Tsaratanana Nofofoin’ny jiolahy sahady ny ainy

Hamaky ny tohiny...

Fakana an-keriny - Ambohimangakely Mpivady sy ny vadikelin’ny takalon’aina no atidoha

19/02/2019

Sakaiza manody ! Mpivady nampangain’ny akanjony sy ny fitakiana omby nataon’ny olon-tian’ilay vehivavy nalaina an-keriny no voarohirohy tamina kidnapping ka tratran’ny Borigadin’ny zandary teo Ambohimangakely, ny talata 12 febroary teo.

Fakana an-keriny - Ambohimangakely Mpivady sy ny vadikelin’ny takalon’aina no atidoha

Hamaky ny tohiny...

Fonjan’i Tsiroanomandidy Gadra 10 tafaporitsaka, 2 voasambotra…

18/02/2019

Gadra 10 lahy no tafaporitsaka tao amin’ny fonjan’i Tsiroanomandidy ny tolakandron’ny sabotsy 16 febroary 2019 tokony ho tamin’ny 4 ora latsaka fahatelony teo fa ny roa efa voasambotra.

Fonjan’i Tsiroanomandidy Gadra 10 tafaporitsaka, 2 voasambotra…

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY MPIASAM-PANJAKANA

12/01/2019

Olona telo no voasambotry ny zandary tao Isoanala sy Beakanga, momba ny raharaha fakana an-keriny ny mpiasam-panjakana iray eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala ao Betroka.

FAKANA AN-KERINY MPIASAM-PANJAKANA

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana-BFM Feno 40 taona ny fiaraha-miasa

05/12/2018

Miisa 15 ny masoivohon`ny banky foiben’i Madagasikara (BFM) manerana ny nosy mba hiarovana ny vola mivezivezy sy ny fitahirizana azy dia manan-danja ny fisian`ny mpitandro filaminana amin`ireny toerana ireny hoy ny governoran`ny banky foibe,

Mpitandro filaminana-BFM Feno 40 taona ny fiaraha-miasa

Hamaky ny tohiny...

Fakana an-keriny tany Toamasina Misy miaramila sy polisy voasambotra

28/11/2018

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tany Toamasina i Arman Kamis taorian’ny famoahan’ny zandary azy rehefa avy nametraka ny fitoriany.

Fakana an-keriny tany Toamasina Misy miaramila sy polisy voasambotra

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Ampasampito Mahazo vahana ny mpangaro-paosy

14/03/2019

Araka ny filazan’ny manodidina izay nisafidy ny tsy hitonona anarana, noho ny tahotra valifaty; hatramin’ny resaka nandeha fa tsy misy mpitandro filaminana manao polisin-dalana na “PR” dia nanararaotra izany ireo olondratsy.

 

 

 

 Nirongatra izay tsy izy tamin’iny faritra Ampasampito iny ireo mpanao sintomahery, ary mbola mitohy hatrany izany. Amin’ny fotoan’ny fibosesehan’ny mpandeha, indrindra amin’ny hariva no mampirongatra ireo mpangaro-paosy. Rehefa fijanonan’ny fiara mpitatitra saika ahitana ireny andiana olondratsy ireny avokoa. “Mody misisika miaraka amin’ny mpiandry taksibe izy, efa jereny akaiky izay ho hazainy. Teren’izy mianakavy ao ilay olona, ny sasany eo aloha mibahana, ny jiolah ysasany eo ankavia sy havana manaporitra, ny ambiny misaka paosy na mandrovitra poketra. Rehefa poritra ao ilay olona dia tsy mahatsapa izay mihatra. Ilay mpangaro-paosy mibahana eo aloha mandeha taksibe fa tsy lasa alavitra dia midina. Misy aza efa fantatry ny mpamily mpanampy izany fa noho ny tahotra kakay dia tsy sahy miteny, tsy mitaky saran-dalana akory aza.” Hoy i Aline Raharinirina, mponina eny amin’ny manodidina. Araka ny filazan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eny an-toerana, vahiny fa tsy mponina eny an-toerana ireny mpangarom-paosy tonga manafika ireny. Ireo mpandeha mpandalo ihany koa no lasibatra ka tsy misy mitaraina eny amin’ny fokontany. Nisy ireo mpitandro filaminana nitety tanana ho hitan’ny vahoaka fa vao mahatsikaritra izany ireo mpanendaka dia manjavona. Milaza ireo mpiandraikitra eny ifotony fa hafa mihitsy ny fandriampahalemana ahitana polisim-pirenena mitoetra eo.  Velombolo ireo tomponandraikitra sivily mahita ireo mpitandro filaminana efa mandamina ny fifamoivoizana. Ny fahitana azy ireny mantsy efa mitondra tahotra ho an’ireo mpanao ratsy. Efa misy ny paik’ady izay hoentin’ny tomponanandraitra eny ifotony mikasika ity tsy fandriampahalemana an-dalambe ity. Rah any loharanom-baovaon’ny polisim-pirenena ihany koa hanomboka rahampitso ny fiofanan’ny mpitandro filaminana mpandrindra fifamoivoizana, ka hisy akony hatrany amin’ny filaminana sy fandriampahalemana izany.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana