Dans la mme rubrique

Orinasa Malagasy Tokony hatokisan’ny mpanjifa

22/03/2019

Navoaka omaly alakamisy 21 martsa tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny Facto Saatchi&Saatchi sy ny ATW ny amin’ny filaharan’ny orinasa Malagasy arakaraky ny fitiavan’ny mpanjifa.

Orinasa Malagasy Tokony hatokisan’ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Fikirakirana vola anaty finday Nampandroso be an’i Kenya

22/03/2019

Tamin’ny taona 2007 i Kenya no nampiasa voalohany ny fikirakirana vola anaty finday (mobile banking). Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa Vodafone sy ny orinasan-tserasera tany antoerana Safaricom.

Fikirakirana vola anaty finday Nampandroso be an’i Kenya

Hamaky ny tohiny...

Fisotroan-toaka Efa lasa fomba amam-panaon’ny Malagasy

21/03/2019

Mifamatotra amin’ny fomba amam-panao sy kolontsaina ary ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy na an-kafaliana na an-karatsiana ny toaka amin’ny ankapobeny.

Fisotroan-toaka Efa lasa fomba amam-panaon’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Orinasa afaka haba ao Antsirabe Mpiasa 4 000 mety ho very asa

21/03/2019

Orinasa afaka haba iray miodina ao Antsirabe no ahiana hikatona noho ny resaka tsy fifanarahana tamin` ny tompon-trano nofainy (contrat de bail). Ny taona 2007 no nanao taratasim-pifanarahana fa hanofa ny trano niasany ny orinasa afaka haba iray ary haharitra 9 taona izany.

Orinasa afaka haba ao Antsirabe Mpiasa 4 000 mety ho very asa

Hamaky ny tohiny...

Fijanonana ao anatin’ny Frankofonia Tena ilain’i Madagasikara tokoa ve?

20/03/2019

Isaky ny 20 martsa tahaka izao no hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.

Fijanonana ao anatin’ny Frankofonia Tena ilain’i Madagasikara tokoa ve?

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny orinasa SIRAMA « Mandainga ny Kaompania Vidzar »

20/03/2019

Mandainga sady manely tsaho ny kaompania Vidzar hoy ireo mpiasa eo anivon’ny Orinasa SIRAMA nandritra ny atrikasa nataon’izy ireo tany Brickaville. Nilaza mantsy ny teo anivon’ny Kaompania fa mandeha araka ny tokony ho izy ny orinasa SIRAMA.

Mpiasan’ny orinasa SIRAMA « Mandainga ny Kaompania Vidzar »

Hamaky ny tohiny...

Jean Jacques Ratsietison “ Asa foronona fa aza tambatambazana ny Malagasy”

19/03/2019

« Aza tambatambazana sy omena vary sy menaka ny Malagasy fa omeo asa izy hahavita tena ». Io no nambaran’ny filohan’ny fikambanana Fahefa-mividy no Ilain’ny Malagasy (FMI), Jean Jacques Ratsietison.

Jean Jacques Ratsietison “ Asa foronona fa aza tambatambazana ny Malagasy”

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Zaza tsy ampy taona, lasa jiolahy Revirevy, naman-dratsy, zava-mahadomelina no antony

14/03/2019

Raj.mpianatra iray efa nigadra nilaza fa noho ny tovovavy namany no mampiditra am-ponja azy, tany Antanimora. Nilaza fa tsara lalovana ny fonja fa tsy tokony honenana “Voafitaka aho. Tsy nampoiziko fa zaza mbola tsy ampy taona ity nitapikitra tamiko. Nanala azy vita baka tamin’izay, nifankatia izahay.

 

Nangoraka azy aho amin’ny fitantarany ny olana rehetra mianjad azy any an-tranony ka niangavy aho izy mba tsy hody fa hatory tany aminay. Nandritra ny alina, nofohaziny ny fahafinaretana tamin’ny alalan’ny safosafo sy orokoroka, roboka izahay tamin’izay, isika no manohy an-tsary ny tohiny. Nony maraina, tonga ny dadany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Tsy nisy ialana fa tonga dia tany amin’ny famotorana, niakatra fampanoavana, niditra am-ponja vonjimaika teny Antanimora. Tsy hitako izay hazavaina fa tratra aho dia nanefa. Nandritra izany anefa, tsy nisaraka tamin’Andriamanitra aho na izany aza ny fandikako ny didiny. Mijaly ny ao am-ponja, fahateran’ny trano, ny loto sy ny bibikely isan-karazany, fandrombahan’ireo matanjaka ny sakafo sns, tsy lazaina intsony ny vola aloha isaky ny mihetsika. Ao koa no mbola mitohy ny asa ratsy fanaon’ny sasany tahaka ny fitadiavana iarahana na samy mitovy fananahana aza, ny halatra tahaka ny vola kely mba any aminao. Raha ny hevitro, toerana mila fantatra na andalovana ny fonja saingy tsy natao honenana, noho izy afobe dia ny mbola ety an-tany.”. Hoy i Raj, izay mandray ny faha-19 taonany amin’izao, nefa efa nahita traikefa tany am-ponja noho ny ditra sy ny fanangolen’ny sakaizany.”

Maro amin’ireo mpanabe ankehitriny no mihevitra fa ny “voyage d’études” izay tokony hisintonan’ny mpianatra lesona dia tsy amin’ny toerana feno fafinaretana ka tsy hisintonany lesona tsara amin’ny fiainana. Misy amin’ireo mpanabe no maneho hevitra fa toerana tokony hisintonana lesona no hitondrana ny ankizy manao “voyages d’étude”, tahaka ny hopitaly, ny toerana misy ny zaza maditra, ny fonja. Ny olombelona mantsy vitsy no mahay maka lesona amin’ny zavatra tsara sy mahafinaritra.

 

70% amin’ny jiolahy latsaky ny 18 taona

Raha ny filazan’ireo manam-pahefana, na sivily na miaramila, mirongatra izay tsy izy ary saika izy ireo no ankamaroan’ny mpanendaka sy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Tsy any amin’ny asan-dahalo ambanivohitra ihany fa ireo mpanao sinto mahery sy mpangaro-paosy eto an-drenivohitra dia saika 70% tanora latsaky ny 18 taona avokoa. Vao tsy ela no lasibatr’ireo mody mpangataka ireo mpilalao finday na mpiondana tambazotran-tserasera anaty fiara fitanterana. Mihidy tsara ny fitaratra tandrify misy ilay finday, fa avy eo aloha na avy aoriana izy ireo no manakatra. Mody mangataka amin’ireo fanitsin’ny varavaran-kely mivoha izy nefa ny fijeriny mitady ny fomba hanakarana ilay eo amin’ny fitaratra mihidy misy ny finday. Tsy vitsy no lasibatra tamin’izany amin’ireny fiantsonan’ny taksibe somary be olona, tahaka ny eo Ambanidia, Ambohijatovo, Anosy, Ampefiloha, Anosibe, 67ha, Ankazomanga, Ankorondrano, Behoririka, Andravoahangy, Besarety,… “Ireo tovolahy mpijorojoro mody manera, mibata entana, mijorojoro amin’ny fiantsonan’ny taksibe, ety amin’ny faritra Anosibe dia saika mpanao sinto-mahery amin’ny halatra finday avokoa. Efa hain’ireo tsianjery ny elakelan-trano ary misy namany miandry any amin’ny an-dosirany ka raha sendra mpandeha an-tongotra no tratrany ka velom-paniriana hanenjika dia misy manakana ny lalana, na efa mitondra zava-maranitra izy ireny ka ahiana handratra. Ireo manodidina rehetra eo samy mahafantatra daholo ny mpangarompaosy fan oho ny hery tsy mitovy sy ny tahotra kakay dia tsy sahy mijoro. Misy amin’ireo mpivarotra amoron-dalana manodidina eo ihany koa mpiray tsikombakomba aminy ka tsy mibedy na mampafantatra ireo mpandalo na mpiandry taksibe. Mazana mantsy ireo ihany no mividy halatra amin’ny vidiny mora ihany koa ka manome vahana ny mpanao ratsy.” Hoy ny Sefo fokontany lefitra ao Anosibe Andrefana I, Jean Laurent Rafanomezantsoa. Marihina moa, arak any fampitam-baovaon’ireo mponina eny an-toerana fa  amin’ny fotoanan’ny fisesehana taksibe anaty rotsak’orana no anatanterahin’ireo ny asa ratsy fanaony. Amin’iny mantsy no mialoka na mody ireo mpitandro filaminana sy tomponandraikitra eny an-toerana ka izy jiolahy mianakavy no miara-mifanensika anaty fiara fitanterana sady manararaotra mangarom-paosy.

 

 

700 mahery  ny latsaky ny 18 taona any am-ponja

Mahatratra 100 eo eo  ireo zaza tsy ampy taona miditra ny fonjan’antanimora ao anatin’ny iray volana. Mifanantsahana amin’izany isa izany koa ireo nahavita ny saziny miampy ireo izay afaka noho ny fisalasalana rehefa nandalo fitsarana. Manodidina ny 700 mahery eo izy ireo izay voatana any am-ponja manerana an’ny Madakasikara. Araka ny tatitra avy amin’ny Amnisty international, mialohan’ny taona 2018 teo, manodidina ny 180 eo ireo zaza tsy ampy taona fonjaina ao Antanimora.  Tsy latsaky 3.000 hatrany ireo miditra am-ponja ao Antanimora. Ny 85% dia lehilahy avokoa ; mahatratra 5% ny tsy ampy taona no manefa sazy eny, ary ny 10% dia vehivavy avokoa.”Rah any tatitra mikasika ny fonjan’Antanimora, araka ny fanadihadiana manokana nataon’ny Amnisty international, ndritra ny taona maro. Marihina fa mihoatra ny 20 ireo zazakely tsy afaka misaraka amin’ny reniny izay latsaky ny roa taona no efa miaina ao am-ponja sahady. Ireo ankizy efa lehibe zanaka voafonja kosa dia tezain-dry maseran’ny Md Maurice eny Avaradoha.

Hatrehin’olon-dehibe ny famotorana sy ny fitsarana azy ireny

Anisan’ny fepetra ilaina amin’ny zotram-pamotorana hatrany amin’ny fitsarana ny fanatrehin’ny olondehibe ireo tsy ampy taona atao fanadihadiana sy tsaraina. “Foana ho azy ny famotorana sy ny zotra hatrany amin’ny fitsarana raha tsy misy olondehibe manatrika ireny tsy ampy taona tratra teo ampanaovana asa ratsy na voarohirohy. Tsy voatery ny ray aman-dreniny fa rehefa ampy taona dia afaka manatrika izany”.  Hoy ny Kaomisera mpiandraikitra ny serasera sy ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, Serge Andriamanalina

 

Azo sorohina izany hoy ny mpandalina

Raha ny filazan’ny mpandinika fiarahamonina, azo sorohana izany “Voasariky ny rendrarendra manidina anaty tambazotran-tserasera sy ny sivilizasiona, indrindra ny an’ireo tandrefana ny ankizy dia lasa manaotao foana. Ny horonantsary miaraka amin’ny fanafihana mitam-piadiana izay namolmavolana ny toetsain’ireo ankizy ireo hatramin’ny fahazaza io tanterahiny io. Torak’izany koa ny fahitana sarimihetsika mikasika ny firaisana ara-nofo. Mila manaraka akaiky ny ankizy ny ray aman-dreny mba hanampy azy dia voasoroka izany. Famotehana ny saina sy ny kolotsaina ihany koa no ataon’ireo tambazotra mampidoroka zavamahadomelina ny tanora ka tsy tompon’ny tenany intsony. Mifameno daholo izany olana izany fa ny fisorohana dia ny fijerena akaiky ny ankizy” Jean Louis Rakotondrasoa, sosiôlôgy.

Ny psikôlôgy kosa nilaza fa te hanohitra be fahatany ny ray aman-dreny no mahatonga izany. Ireo fianakaviana tsy ampy fitiavana sy sahirana amin’ny lafiny rehetra no ipoiran’ny zaza toy ireny. Mila tambitamby sy fitiavana ary fifampitokisana izy ireny. Hoy i Charline Rabetokontany, mpampianatra psykôlôjia amin’ny oniversite sy mpampiofana amin’ny sehatry ny asa

Araka ny filazan’ny Dokotera Hanitra, ny fifandraisana aminy mbola kely no fototra. “Ny fifampitokisana amin’ny zanaka amin’ny fahazazany no mahatonga ny zaza iray hania na tsy. Raha mbola kely ny hazo no ahitsy dia mora ahitsy. Misy adidin’ny ray aman-dreny matoa lasa jiolahy toy ireny ireo tsy ampy taona. Azo sorohana ireny, tsy amin’ny fanabeazana ao an-trano ihany fa ny sekoly izay hanabeazana azy. Misy sekoly sady mahay no tsara fitondran-tena ny mpianatra, noh ny fitsipika. Mifanampy amin’ny fanabeazana an-tokatrano ireny”. Hoy ny Dokotera Hanitra Nirina Rakotomalala

Lalaina, mpanabe sady talen-tsekoly izay miaky fa sarotra ny asa fanabeazana amin’izao fotoana izao. Ny ankamaroan’ireo tsy nandia sekoly na niala an-daharana moa dia any amin’ny asan-jiolahy no mivelona , satria ny manam-pahaizana aza tsy mahita asa ivelomana, hoy hatrany ity talen-tsekoly ity.

Nilaza i Rampal, ao amin’ny tarika Rebika fa noho ny rotorotom-piainana no mahatonga io ka mila andro hifampizaran fiainana sy hafaliana ny mpianakavy. Nilaza ity mpamoron-kira sy mpihira ao amin’ny tarika Rebika ity fa tsy mifankahita ny ray aman-dreny sy ny zanaka ka tsy ampy serasera, miala maraim-be ary alina vao tafody. Misy koa ny tsy firesahana ny tena fiainana tahaka ny fananahana izay lazaina fa fady ka manaotao foana ny zatovo amin’izao. Mila m

 

 

Raha akapoka, ireo rehetra tsy manana zavatra hatao, azo antoka fa hivarilavo : “ L’oisivité est mère de tous les vices”, hoy ny fomba fitenin’ny Frantsay. Ny fidonanaham-poana no fototry ny fahazaran-dratsy rehetra. Ny ankizy tsy mianatra dia mivelona amin’ny hataka etsy sy eroa. Mandritra ny fangatahana anefa dia misy ireo efa manao sinto-mahery izay fahita amin’ny fiantsonan’ny taksibe eto Andrenivohitra. Ao ireo mamelatra satroka kely mangataka ary efa asiana vola eo mba hisarihana mpandalo. Misy ireo mampiasa fiteny na fihetsika tahaka ireo mpanao tononkalo miafara amin’ny teny frantsay sy teny sinoa ary anglisy : “give me money”. Misy endrika maro ny fangatahana izay mifono halatra ihany koa, misy tamin’izy ireny nohenjehin’ny lalana fa mahazo vahana indray tahaka ireo mampiasa karatra telo : “mena mahazo” sy ny mpanao majia “, ary ny manao hiram-pivavahana manamorona ny arabe. Ny arabe no manabe azy ireny, mibanaka koa ny zava-mahadomelina. Mitodika amin’ireo tomponandraikitra ara-moraly sy lalana ary fanabeazana hijery akaiky ity trangam-piarahamonina ity.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana