Dans la mme rubrique

Antananarivo faha-5 Mitsabo vahoaka i Fetra sy Chief Naina

22/03/2019

Ny Fokontany Soavimasoandro no nisantaran’ny TIMK25 eny amin’ny boriborintany faha-5 ny hetsika vizaham-pahasalamana arahina fitsaboana maimaimpoana nanomboka omaly alakamisy 21 martsa.

Antananarivo faha-5 Mitsabo vahoaka i Fetra sy Chief Naina

Hamaky ny tohiny...

Kandida depiote tsy miankina Tsikerain’ireo avy amina antoko sahady

22/03/2019

Tsy manana antoko politika matanjaka isika ary tokony haverina ny hasin’ny antoko politika satria rehefa tsy voafehy ireo tsy miankina be dia be dia malemy ny fitondrana mijoro,

Kandida depiote tsy miankina Tsikerain’ireo avy amina antoko sahady

Hamaky ny tohiny...

Jacques Razafimbelo Menatra amin’ny laza ratsin’ny antenimieram-pirenena

22/03/2019

\Isan’ireo kandida ho depiote nisafidy ny hilatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana ao amin’ny boriborintany voalohany ny kandida Jacques Razafimbelo.

Jacques Razafimbelo Menatra amin’ny laza ratsin’ny antenimieram-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Ny ataony ihany no hampalemy ny fitondrany

22/03/2019

Efa maro ireo mpikambana eo anivon’ny antoko TGV sosotra fony tonga ny fotoana niforonan’ny atao hoe Mapar. Tonga indray ity ny IRD dia takona indray izany ireto roa hafa.

Andry Rajoelina Ny ataony ihany no hampalemy ny fitondrany

Hamaky ny tohiny...

Mialy Rabemanantsoa “Mila mason-tsivana ny firotsahana ho kandida depiote”

22/03/2019

“Tokony hisy masontsivana ny firotsahana ho solombavambahoaka na eo amin`ny fahaizana na eo amin`ny etika sy ny fanajana fitsipika” hoy Mialy Rabemanantsoa, mpahay lalàna.

Mialy Rabemanantsoa “Mila mason-tsivana ny firotsahana ho kandida depiote”

Hamaky ny tohiny...

Kandida solombavambahoaka TIM K 25 Mananjary Hanao izay ho afany ny komity mpanohana azy ireo

22/03/2019

Vonona tanteraka ny hanao izay ho afany ho fampandaniana ny kandidà solombavambahoaka TIM K 25 ao amin’ny distrikan’i Mananajary tarihan’ny lohalisitra Andriamanampisoa Gégé Bernard raha ny nambarany tetsy Mahamasina

Kandida solombavambahoaka TIM K 25 Mananjary Hanao izay ho afany ny komity mpanohana azy ireo

Hamaky ny tohiny...

Afera maloton’ny 2009-2014 Hodiana fanina fotsiny ve ?

21/03/2019

Aferana boaderozy, trafikana harem-pirenena, aferana tanim-panjakana,… dia isan’ny tena nanamarika ny fanjakana tetezamita.

Afera maloton’ny 2009-2014 Hodiana fanina fotsiny ve ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiarahana anaty vovonana politika Tena mbola tsy zakan’ny Malagasy

14/03/2019

Fomba fiady hamondronan-kery hahafaha-mibata fandresena amina hetsika iray atao ny fananganana vovonana na « Palateforme ».

Amin’ny lafiny iray dia endriky ny fiombonana sy ny firaisan-kiana io hahafaha-manatratra tanjona goavana anankiray na maromaro iraisana. Tsapa anefa amin’izao firosoantsika amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao, fa toa tsy tena mbola zakan’ny Malagasy ny resaka vovonana. Mampiady ny mitovy firehana satria toa samy te hitondra ny loko sy ny fanevan’ilay vovonana na ny antoko lehibe ao anatiny ny mpikatroka maro, ka zary teraka ny fifandirana. Tsy mitovy rahateo ny fitsipi-pifehezan’ny antoko tsirairay na ny « discipline de parti» ao anatin’ny vovonana hany ka mety hisy ny fifanoheran’ny fomba fijery, mitarika fisarahana raha tsy voalamina sy voarindra. Lasa lamaody avy eo ny firotsahana amin’ny anaran’ny tena manokana rehefa tsy tafiditra ho kandidan’ny vovonana na ny antoko lehibe, ohatra, ary hita mibaribary izany amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fotoana voafetra amin’ny alalan’ny fametrahana tanjona lehibe hiara-manatratra araka izany no tena mety hampahomby ny resaka vovonana, toy ny hoe : hanongana, hitaky, hanozongozona fitondrana,… Misy ny mety ho fitoviam-pijery mifantoka amina tanjona iray lehibe, saingy mety samy hanana ny fahafaham-pony sy ny fiheverany ho fahatrarana ny tanjona ny vondrona na antoko tsirairay, ka eny antenantenany aza dia mety hisy ny fisarahan-dia. Isan’ny nahitana izany ny tolon’ny fanovana nanakambanan’ny depiote 73 ny heriny, izay nisy ny antoko vao nahazo minisitera dia efa afa-po sy nihevitra fa vita ilay tolon’ny fanovana, ary nisy ny mbola nitaky mivantana na an-kolaka izany mandrak’androany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana