Dans la mme rubrique

Gripa mahery Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loto

22/03/2019

Tsy mety foana tanteraka ny gripa mahery eto amintsika. Ireo olona marefo amin’ny ankapobeny toy ireo ankizy latsaky ny dimy taona sy ireo zokiolona no tena mahita faisana amin’izany.

Gripa mahery Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loto

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Tsy lainga fa tena misy ny kitrotro

18/03/2019

Mbola maro no tsy mino ny fisian’ny trangan’aretina kitrotro eto Madagasikara na dia efa maro aza ny olona matiny. Tsy sangisangy na lainga fa tena misy ny kitrotro ary mety hahafaty izany raha tsy vita amin’ny tokony ho izy ny vaksiny hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Julio Rakotonirina tetsy Ambohidahy 15 martsa.

Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Tsy lainga fa tena misy ny kitrotro

Hamaky ny tohiny...

Koha-maina manempotra Zaza 140 no nandalo tao Befelatanana tao anatin’ny roa volana

13/03/2019

Mirongatra ny aretina bronchiolite mahazo ireo ankizy latsaky ny dimy taona eto amintsika. Ny fotoam-pahavaratra tahaka izao no voalaza fa tena mampahazo vahana azy, manomboka ny volana Desambra ka hatramin’ny volana Aprily.

Koha-maina manempotra Zaza 140 no nandalo tao Befelatanana tao anatin’ny roa volana

Hamaky ny tohiny...

Fanafody generika Mitobaka eny anivon’ny toeram-pivarotam-panafody

08/03/2019

Manomboka miparitaka be sy mahazo vahana eny anivon’ireo toeram-pivarotam-panafody maro isan-tsokajiny amin’izao ny fanafody generika.

Fanafody generika Mitobaka eny anivon’ny toeram-pivarotam-panafody

Hamaky ny tohiny...

VONJY AINA HJRA Tsy voatery misy vola vao tsaboina

07/03/2019

“Noho ny hamehana, tsy voatery manana vola vao tsaboina ireo miditra vonjy aina ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Araka ny maha vonjy aina (urgence) azy dia raisin’ny hopitaly an-tanana aloha ny fitsaboana maika na ny “premier soin”,

VONJY AINA HJRA Tsy voatery misy vola vao tsaboina

Hamaky ny tohiny...

Fitahirizana vaksiny Tobim-pahasalamana 500 hahazo fitaovam-pangatsiahana

06/03/2019

Vita omaly talata 5 martsa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF) sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

Fitahirizana vaksiny Tobim-pahasalamana 500 hahazo fitaovam-pangatsiahana

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamam-bahoaka Nohamafisina ny fanaraha-maso ny fandraisana ireo marary

06/03/2019

Nanomboka tamin’ny taona 2017 no nampiharina voalohany teto amintsika ilay hetsika Label 5 S entina hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny marary tonga manatona eny anivon’ny hopitalim-panjakana.

Fahasalamam-bahoaka Nohamafisina ny fanaraha-maso ny fandraisana ireo marary

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Zava-doza Namono olona 630 ny kitrotro

14/03/2019

Namoaka antontan’isa mikasika ny fivoaran’ny valan’aretina kitrotro ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly. Nanomboka ny 3 septambra 2018 hatramin'ny 4 martsa 2019 dia tranga 98 415 no voarakitra an-tsoratra.

 

 

 Miisa 630 maty voatanisa ao amin'ny lisitra firaketana ankapobeny tamin’ny fivoaran’ny valan’aretina, raha toa ka 511 no tena voamarina teny amin’ny fiarahamonina. Distrika 104 no nahitana ny valanaretina izay niampy distrika roa vaovao. Tsara homarihina fa mitohy ny andiany fahatelo amin'ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny kitrotro. Novatsiana fanafody (Kit Rougeole) ireo Tobim-pahasalamana, ka ny orinasa SALAMA no miandraikitra ny famatsiana sy fitsinjarana ny fanafody noho ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny OMS, JSI/GAVI, USAID, UNICEF, MEDECIN DU MONDE, ACCESS,  PSI, ASOS, Masoivoho Frantsay, Mahefa Miaraka,...  Aretina isan’ny namono olona be indrindra teto Madagasikara izany amin’izao fotoana izao ny kitrotro. Efa tena loza amin’atambo io, raha jerena amin’ny antontan’isa. Saika ny faritra rehetra no nanjakazakan’ny kitrotro, toy ny tany amin'ny faritra SAVA dia tsy omby hopitaly intsony ny narary, ny tao Sambava ohatra izay tsy omby ny hopitaly fa feno marary hatreny an-davaranganana. Ny tany Ambilobe sy ny manodidina izay mety nananika ny an-jatony ny maty,… Ny tapaky ny volana febroary no tonga tany avaratry ny Nosy ny filoha ankehitriny. Navoaka ireo fiarabe nomen’ny Japonais ny fanjakana Rajaonarimampianina, izay hopitaly mandehandeha na “Clinique mobile”, ka nireharehana fa noho ny ezaka ataony ary tonga dia miasa sy mandray andraikitra izy. Maimaimpoana ny fitsaboana ny kitrotro, hoy izy, saingy nisy ihany ny fitarainana mombana fananararaotana nitakiana vola manomboka amin’ny 3000Ar, tahaka ny tao Antsiranana sy tany amin’ny faritra Bongolava. Nangingina sy tsy nisy resaka firy intsony ny fanjakana nanoloana ny kitrotro, ka tsy hay na nafenimpenina na izay ilay hoe: miasa mangina. Mampivarahontsana anefa ny tarehimarika mivoaka avy eo, ka toa nandrinandry nanana aretina ihany isika, indrindra fa ny fanjakana toa tsy taitra firy intsony.

Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana