Dans la mme rubrique

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ando Ratsimba Vonona hitondra rivo-baovao ho an’Atsimondrano

13/03/2019

Nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano Rtoa Ando Ratsimba avy amin`ny fikambanana Aina Miray.

 Atoa Guy Maxime, Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha no mitazona ny laharoa anaty lisitra. Haka ny fon’ireo mpifidy feno 18 taona, 600.000 isa miparitaka amina kaominina 26 isa no tanjony izay marihina fa mirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina. Raha araka ny fanazavana nentin` i Ando Ratsimba mantsy dia olona vonona ny hitondra ny hetahetam-bahoaka marina, tsy hanao kinanga no tokony hofidiana fa tsy anarana antoko. Nohamafisin` i Guy Maxime Ralaiseheno kosa fa fandraisana andraikitra amin’ny fiaraha-monina no ilaina raha ny fanazavany hatrany izay efa hananany traikefa rahateo.  Zavatra telo toko lehibe no hiompanany amin’ny asa hotanterahiny eny Atsimondrano raha lany soa aman-tsara eo ny tenany. Lohalaharana amin’ireny ny famerenana ny fiompiana sy ny fambolena mba hiroborobo tsara  ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iray manontolo. Eo ihany koa hoy Atoa Guy Maxime ny fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana. Raha  ny nambarany mantsy dia mbola vao ny 3 % amin’ny volam-panjakana ihany no miverina eny ifotony izay, tranga niaina am-polo taonany maro, tena bitika tsy ampy hanaovana asa fampandrosoana akory ka ilàna fanatsarana. Vonon-kiady  amin’izany ny tenany raha ny nambarany. Fahatelo farany izay tsy kely akory dia hijery ny  resaka fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka ihany koa ny tenany ka anisan’ireny ny fananganana foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny filàn’ny maro. Nomarihin` ny fikambanana Aina Miray fa tsy hatoro voanjo hadiana amin’ny fampandrosoana an’Atsimondrano ireo ekipa miara-dia aminy koa mino ny tenany fa tsy ho latsa-danja amin’ny hafa.

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana