Dans la mme rubrique

Fandaminana ny posy sy sarety Ho gidragidra raha tsy voafehy

14/06/2019

Nihitsoka tanteraka ny fifamoivoizana, omaly alakamisy 13 jona atoandro, satria tsy nanaiky ilay fandaminana amin'ny ora tokony handehanana ireo sarety sy posy teny Anosibe ary saika raikitra ny sakoroka teo amin'ny polisy sy ny mpitarika sarety.

Fandaminana ny posy sy sarety Ho gidragidra raha tsy voafehy

Hamaky ny tohiny...

Fiarana lietna nandona taksibe 194 Ilay mpamily indray no nidoboka am-ponja

12/06/2019

Tsy namelan’ilay lietnà mpandraharaha ny fonja izay voalaza fa mamo teo am-pamiliana ary nandona ilay taksibe laharana 194 raha tsy nidoboka teny am-ponja nandritra ny folo andro ny mpamily.

Fiarana lietna nandona taksibe 194 Ilay mpamily indray no nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Taksibe tsy manara-dalàna Niraradraraka ny sazy ho an’ny Zotra D Ivato

11/06/2019

Tamin'ny zoma 07 jona 2019 dia notanterahina tao amin’ny minisiteran’ny fitaterana Anosy ny fanasaziana (CODIS) ireo fiara amin’ny zotra D (Antananarivo-Ivato) miisa 70 tratra nandika lalàna tato anatin'ny telo herinandro farany.

Taksibe tsy manara-dalàna Niraradraraka ny sazy ho an’ny Zotra D Ivato

Hamaky ny tohiny...

Làlana simba Ambatondrazaka-Didy 50 km atao anatin’ny tapa-bolana

11/06/2019

Ankoatra ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena sy safira azy dia isan’ny tena mamokatra ny kaominin’i Didy izay 50km latsaka kely miala an’Ambatondrazaka raha mianatsimo-atsinanana.

Làlana simba Ambatondrazaka-Didy 50 km atao anatin’ny tapa-bolana

Hamaky ny tohiny...

Fanamboaran-dalana -Atsimondrano Ezahana ambara mialoha ny fanapahan-dalana

04/06/2019

Nitondra fanazavana mahakasika ny fanamboaran-dalana amin’ireo lalambe mampitohy an’Iavoloha-Anosy, Anosy-Ampitatafika-Itaosy omaly ny tompon’andraikitry ny serasera nalain’ireo Orinasa 4 miandraikitra izany.

Fanamboaran-dalana -Atsimondrano Ezahana ambara mialoha ny fanapahan-dalana

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina teny Mahazo Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza

29/05/2019

Zazakely iray tokony ho herintaona sy tapany no nofaohan'ny fiara Mazda iray tapaka hisatra teny Mahazo mitohy amin’iny lalam-pirenena faharoa iny omaly tokony ho tamin'ny 4 ora hariva.

Loza mahatsiravina teny Mahazo Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza

Hamaky ny tohiny...

Fanamboaran-dàlana Nisy fanovana ny fifamoivoizana eny Soanierana

23/05/2019

Mikatona ny ampahan-dalana manomboka eo amin’ny “rond point descours” ka hatreo amin’ny “rond point Gastro Pizza” Sonierana amin’izao fotoana izao.

Fanamboaran-dàlana Nisy fanovana ny fifamoivoizana eny Soanierana

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Fiara karetsaka eto an-drenivohitra Tsy afaka mampiakatra saran-dalana kanefa tena sahirana

13/03/2019

Mahatsiaro ho sahirana mafy ireo mpamily fiara karetsaka eto amintsika. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana isan’andro mantsy dia mahatsiaro ho sahirana ihany koa izy ireo noho ny haratsian-dalana sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika.

 

 

 

 Tsy vitsy amin’izy ireo araka izany no miantsona amina toerana iray miandry mpanjifa no sady mifidifidy toerana alefa. Raha araka ny fanazavan’ny mpamily fiara karetsaka iray sendra anay mantsy dia tsy voatery ho mpanam-bola be daholo  ireny  tompona fiara karetsaka ireny fa misy ireo tena sahirana miaina amina fiara karetsaka iray hamelomany ny ankohonany sy hampandehanany ny fiainany. 20.000 Ar isan’andro raha betsaka ny vola azony amin’izany raha tompony izy no mitondra azy hany ka tsy maintsy kajikajiana ny fiara. 12.000 Ar kosa ny vola tsy maintsy henjehina raha mpikarama ilay mitondra azy ary tsy afaka mandeha any amin’ny toerana be fitohanana raha te-hitondra vola mody. Saika tsy mandray karama isam-bolana rahateo ny ankamaroan’izy ireny fa tsy maintsy miaina amin’izay kely azo, ankoatra ny “versement”. Nomarihin’ity mpamily fiara karetsaka ity moa fa na izany aza ny olana sedrain’izy ireo dia tsy afaka mampiakatra saran-dalana izy hahafahana mitazona mpanjifa. 7.000 Ar moa amin’izao no farany ambany amin’ny “course” iray.

 

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana