Dans la mme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida depioten’ny TIM Tana V Vonona tanteraka i Fetra sy ny ekipany

13/03/2019

Azo ny taratasy ara-panjakana maneho ny maha ara-dalàna ny fandrotsahan’ny TIM-K25 kandida solombavambahoaka eny amin’ny Boriborintany faha-5, ka nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly izany.

 

 

Mitana ny lohalisitra Atoa Ralambozafimbololona Fetra na « Mr Fetra », izay tanora vao erotrerony. Lisitra faharoa kosa Ramboavelo Andrianantenaina Jocelyn Willy na « Chief Naina », fahatelo Rtoa Ratsiverinoro Razafindrainibe, ary ny lisitra faha-4 kosa dia Andriamanantena Elie. Natolotry ny rafitra tany ifotony ho kandida Ralambozafimbololona Fetra, ary nankatoavin’ny rafitra faratampon’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny alalan’ny filoha mpanorina dia Atoa Marc Ravalomanana, ka nisaotra manokana ity farany sy ny mpikatroka FOKTIM sy DISTIM ary ny vahoaka manontolo izy ireo. Nampanantena fa tsy handraraka ilo mby an-doha amin’izay fitokisana lehibe napetraka taminy. Efa filohana fikambanana ara-tsosialy tao anatin’ny Boriborintany faha-5 efa ho 20 taona izay Ralambozambozafimbololona Fetra. Niasa mangina tao anatin’izany, toy ny fampidirana mpianatra, fikarakarana kopia,… eny betsaka ny zavatra vita fa mbola ho avy ny fotoana hilazana izany, hoy izy.  Mpanolontsaina monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo izy, ary isan’ny zavatra hiadiany mafy any amin’ny antenimiera ny resaka lalàna hoenti-mampivoatra sy mandamina ary mampandroso ny tanàna. Hiady ho fampandrosoana an’Antananarivo, hiady amin’ny tsindrihazolena, hiady ho an’ireo niangaran’ny vintana,… ka manantena ny fiaraha-misahalahy, hoy izy. Vonon-kisedra sy hibata fandresena amin’ny fifidianana izy ireo ary tsy ho kivy fa hisiki-ponitra miaraka amin’ny vahoakan’ny Boriborintany faha-5 satria tafita rahateo ny hafatr’i Marc Ravalomanana hoe : « never give up », raha ny nambaran’i Chief Naina.

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana