Dans la mme rubrique

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Malagasy Hividy fitaovam-piadiana raitra…

21/06/2019

Tonga nitsidika ny andiany faha-53 amin’ny hetsika iraisam-pirenen’ny fiaramanidina sy ny tontolony fanao any Bourget Paris na « Salon du Bourget 2019 »

Fanjakana Malagasy Hividy fitaovam-piadiana raitra…

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’i Ihosy Velon-taraina amin’ny hala-bato i René Fulgence

21/06/2019

Velon-taraina ny kandida ho depioten’i Ihosy, René Fulgence, manoloana ny hala-bato nitranga tao an-toerana na dia nametraka fitarainana tamin’ny HCC aza, raha ny nambarany omaly.

Distrikan’i Ihosy Velon-taraina amin’ny hala-bato i René Fulgence

Hamaky ny tohiny...

Fampidinana vidin-tsolika Esoin’ireo mpanao politika

21/06/2019

Misaotra ny filoham-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, nandany 3 andro niady hevitra hampidina ny solika.

Fampidinana vidin-tsolika Esoin’ireo mpanao politika

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana ankehitriny « Tsy tokony hiala bala intsony. »

20/06/2019

Fanjakana IRD na Mapar no mitondra izao, hoy ny mpahay lalàna Willy Razafinjatovo na Olala.

Fitondrana ankehitriny « Tsy tokony hiala bala intsony. »

Hamaky ny tohiny...

Fampidinana ny vidin-tsolika Nivoaka sempotra ny fanjakana

20/06/2019

Nivoaka ihany ny fehin-kevitra taorian’ny fifampidinihan’ny filoha Andry Rajoelina sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo mpandraharaha ny solika.

Fampidinana ny vidin-tsolika Nivoaka sempotra ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana solombavambahoaka Resin` ny tsy miankina ny antoko politika

13/03/2019

Nikatona tanteraka omaly ny fanaterana antontan-taratasy ho an’ireo mpifaninana hiditra eny amin’ny antenimieram-pienena Tsimbazaza.Kandida 376 ho an’ireo distrika 119 manerana ny nosy no nahavita izany raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo;

 

 

 

maro an’isa ireo kandida tsy miankina satria miisa 219 misy mpandraharaha, mpihira, mpilalao sarimihetsika, mpampianatra, dokotera… raha toa ka 157 no natolotry ny antoko politika.Misy ireo mbola tsy nahafeno an-tsakany sy an-davany ny antontan-taratasiny, misy aza no mbola tsy nahaloa ilay anto-bola 5 tapitrisa ariary, teo ihany koa ny mbola tsy manana mpisolo toerana, izany hoe tsy feno ny lisitra..isan-karazany ary maro ny tsy fahatomombanana.Manana 72 ora , izany hoe hatramin’ny zoma ho avy izao izy ireo hameno ny antontan-taratasy.Ny 19 martsa kosa no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida ny CENI foibe; raha misy ny raraka dia manana 48 ora hametrahana fitarainana eny amin’ny CENI, ka hivoaka iray andro aorian’izay ny fanapahana.Raha mbola tsy afa-po ireo kandida tsy tafiditra anaty lisitra aorian’io dia mbola manana 48 ora ary afaka mitory eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) indray , hivoaka afaka 24 ora ny didy tsy azo ivalozana avy eo ary izay no tsy maintsy ampiharin’ny CENI. Hita ho tena nihena ny isan’ireo kandida solombavambahoaka tamin’ity indray mitoraka ity, ho an’ny distrikan’Antananarivo faha 3 izao ohatra , niisa 33 ny kandida tamin’ny 2013; tsy nisy afa-tsy 5 anefa izany tamin’ity 2019 ity.

 

Olona voafidy hanao lalàna sady hanara-maso ny asan’ny governemanta ny solombavambahoaka.  Tsy natao hanao asa sosialy na hanangana fotodrafitr’asa fa miady hevitra, mandany na mitsipaka volavolan-dalàna anankiray.Manohana na mitsikera ny fitondram-panjakana rehefa tsy mety ny ataony, manaja ny fitsipiky  antoko misy azy sy ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena ary mitondra ny feon'ny vahoaka any amin’ny fitondrana foibe, ny zavatra maharary azy, manao tatitra amin’ny vahoaka, ary manampy azy amin` ny olana mahazo azy.

 

 

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana