Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Famarotana tanim-panjakana Misy minisitra be afera…

13/03/2019

Namoahana didy fampisamborana ny filohan'ny filan-kevitra monisipaly taloha Lalaina Berthnès izay tsy tonga nanatrika ny fitsarana azy omaly. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny « conservateur des domaines » sy olona hafa tafiditra tamin'ity raharaha ity.

 

 

 Mikasika ny raharahan-tany etsy Analamahitsy, dia noraran'ny fanjakana ny fanohizana ny fandravana sy ny fanatanterahana ny voalaza fa tompon'ny tany ny tetikasany. Raha ny loharanom-baovao iray anefa dia re fa mitady hataona minisitra iray aferafera izy io, ka itakiana vola 'ilay nahazo ny tany vao afaka manohy ny zavatra ataony. Re fa ny raharaha sy afera manomboka mivoaka amin'izao dia manana afera maloto ihany koa ny manam-pahefana iray tamina famarotana tanim-panjakana ny taona 2012. Voarohirohy amina afera tanim-panjakana maro ity ministra ity ary tsy tambo isaina ny isan` ny dosie momba azy. Tsy vitan` ny famarotana fa teo ihany koa ny fampanofana tanim-panjakana. Ankatoavina tokoa ny fifanekena lasitra momba ny fampanofana maharitra ela ny tanim-panjakana na tany vita baorina amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy. Tany Mahajanga, ny Fanjakana Malagasy voasolo tenan` ny minisitra iray dia nampanofa amin’ ny RUCHI AGRI, ny tany atao hoe Mahajanga Greens, titra laharana faha T N* 5269-BT mirefy 17063 Ha 78 A 57 Ca izay misoratra amin`ny fanjakana Malagasy, ao Kaominina ambanivohitra Ankazomborona, distrika Marovoay, Faritra Boeny. Natao hambolena Pawlowiin, katsaka, vary,… Ny fampanofana dia nekena ka ny saran’izany dia ferana ho 3 ariary isaky ny 1 metatra toradroa na 511 913 571 ariary isan-taona. Raha ny lalàna 2008-014, andiany 21 no raisina, dia milaza fa ny fanjakana no masi-mandidy amin’ny ny fitantanana ny tanim-panjakana. Ka izay no mety manome vahana ireo mpitondra izay tonga eo hanao izay tiany. Raha ny zava-misy, tamin’ny andron’ny Tetezamita no tena nampirongatra azy io; tafaverina eo amin’ny fitondrana ireo olon’ny fitondrana tetezamita ankehitriny ka mafotaka ny fanenjehana, kanefa ny sasany amin’izy ireo ihany koa aza dia mila atao fanadihadiana lalina raha tena hikatsaka tokoa ny marina momba aferaferana tanim-panjakana.

 

.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana