Dans la mme rubrique

Todisoa Andriamampandry Nanolotra “mégaphone” 11 ho an’Antehiroka

17/06/2019

Mbola kolontsaina eny Antehiroka ny antsoantso rehefa misy zava-mitranga na an-kafaliana na an-karatsiana, toy ny fahoriana saingy betsaka no malahelo tsy tratra antso, kanefa tena tia manao adidy ny olona.

Todisoa Andriamampandry Nanolotra “mégaphone” 11 ho an’Antehiroka

Hamaky ny tohiny...

« Task Force » MIN FOP – CNaPS tany Fianarantsoa Nanentana ny mpampiasa sy mpiasa mba hanana fiahiana ara-tsosialy

17/06/2019

Telovolana no nomena ny CNaPS sy ireo minisitera mpiahy mba hitondra fantenanana ny mpampiasa sy ny mpiasa.

« Task Force » MIN FOP – CNaPS tany Fianarantsoa Nanentana ny mpampiasa sy mpiasa mba hanana fiahiana ara-tsosialy

Hamaky ny tohiny...

Toeram-pilanonana lehibe eto Madagasikara Olana ho an’ny artista ny tsy fahampiany

17/06/2019

Feno hipoka ny Plaza Ampefiloha ny zoma teo nandritry ny kaonseritry ny tarika Kiaka nitondra ny lohateny hoe « Soavaly metaly » ary nifaly havanja tanteraka ny mpakafy ny mozika rock.

Toeram-pilanonana lehibe eto Madagasikara Olana ho an’ny artista ny tsy fahampiany

Hamaky ny tohiny...

Olona mivalandrano etsy sy eroa Faritra maro no maimbo tsy azo iainana eto an-drenivohitra

17/06/2019

Toetra zary lasa raiki-tapisaka ao anatin’ny olona, indrindra fa ny lehilahy amin’izao taon-jato efa mazava be izao ny mivalandrano etsy sy eroa, tsy tahotra tsy henatra.

Olona mivalandrano etsy sy eroa Faritra maro no maimbo tsy azo iainana eto an-drenivohitra

Hamaky ny tohiny...

Fifanampian’ny GFEM sy ny AFHAM Vehivavy sembana maro no efa nahita asa

17/06/2019

Fahombiazana sahady no azo tamin’ny fiaraha-miasan’ny GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar) sy ny Association des femmes handicapées (AFHAM).

Fifanampian’ny GFEM sy ny AFHAM Vehivavy sembana maro no efa nahita asa

Hamaky ny tohiny...

AIRTEL’Milay Manome tolotra mora ho an’ny mpanjifa rehetra

17/06/2019

Efa tadifitra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona isika eto Madagasikara ankehitriny.

AIRTEL’Milay Manome tolotra mora ho an’ny mpanjifa rehetra

Hamaky ny tohiny...

Asa Tagnamaron’ny mpitandro ny filaminana Voaloko ny kaomisarian’i Mahamasina, hodiovina ny sy kianjan’i Betongolo

17/06/2019

Anio maraina no hifanome tanana eny Betongolo ireo miaramila zandary sy tafika.

Asa Tagnamaron’ny mpitandro ny filaminana Voaloko ny kaomisarian’i Mahamasina, hodiovina ny sy kianjan’i Betongolo

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fanamboarana ny tetezan’i Bemasoandro Mahitsy Nitondra fanampiana i Fy Andrianarison

12/03/2019

Tonga nanolotra fitaovana ho entina manamboatra ny tetezana eny Bemasoandro Mahitsy Distrikan’Ambohidratrimo Rtoa Fy Andrianarison reny mpiahy ny Fikambanana MIAHI (Marovatana Iraisantsika ka Ambohidratrimo Handroso no Iriantsika). Vokatry ny ora-mikija mantsy dia tapaka ny tetezana mampitohy amin’i Mahitsy sy ny Fokontany Bemasoandro ary ireo tanàna manodidina.

 

 

Ity tetezana ity dia ivezivezen’ny mponina, hamoahan’ny mpamboly sy ny mpiompy ny vokatra, handehanan’ny mpianatra mamonjy sekoly. Fokontany maro no mampiasa ity làlana ity hoy Andriamatoa Rakotoarisoa Michel  Filoham-pokonolona ao Bemasoandro Kaominina Mahitsy.Nanatona an’i Madama Fy Andrianarison izahay dia nanaiky tsy nisalasala izy hanampy anay hanamboarana ny tetezana ka dia isaoranay azy be dia be izany.  Tsy  nisalasala Rtoa Fy Andrianarison nanampy ny fokonolona tamin’ny alalan’ny fanolorana simenitra hamitàna ny tetezana. « Tsy vao sambany akory ny tenako no nanao asa sosialy toy izao fa efa fanaoko hatramin’izay ny fanasoavana ny mpiara-belona. Aty Mahitsy rahateo ny tanindrazana avy amin’ny lafindray sy lafindreny ; koa rariny raha karakaraina ny tanàna», hoy ity renim-pianakaviana mandray andraikitra ity. Mampiasa ity tetezana sy làlana ity avokoa ny Fokontanin’Ankazo, ny Fokontany Miadapônina, ny Fokontany Fierenana, ary tonga hatrany amin’ny Kaominina Ambohimanjaka ity làlana ity.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana