Dans la mme rubrique

Mpikambana ao amin’ny HCJ Mikarama 20 tapitrisa ariary, hoy ny SG-n’ny OSCEC

25/06/2019

Manaitra ny fitondram-panjakana ny fiarahamonim-pirenena amin`ny tsy tokony hisian’ny fanavakavahana na iza na iza amin`ny famotorana rehetra atao eny anivon`ireny rafi-pitsarana samihafa ireny.

Mpikambana ao amin’ny HCJ Mikarama 20 tapitrisa ariary, hoy ny SG-n’ny OSCEC

Hamaky ny tohiny...

Fahaleovantenan’i Madagasikara Tsy maharesy lahatra hatreto

25/06/2019

26 jona 1960 – 26 jona 2019. Feno 59 taona rahampitso ny nanambarana amin’ny fomba ofisialy fa firenena mahaleotena i Madagasikara rehefa avy nozanahan’ny frantsay nandritry ny 63 taona (1897 – 1960).

Fahaleovantenan’i Madagasikara Tsy maharesy lahatra hatreto

Hamaky ny tohiny...

Harena ankibon’ny tany - Fasimainty Tsy mbola mitrandraka ny orinasa Base Toliara

24/06/2019

Nanao fanambarana ny Tale jeneralin’ny Base Toliara, Jean Bruno Ramahefarivo fa tsy misy zavatra miafina ny antontam-baovao na ny antontanisa ao amin’ny orinasa hitrandraka fasimainty fa misokatra ho an’ny rehetra.

Harena ankibon’ny tany - Fasimainty Tsy mbola mitrandraka ny orinasa Base Toliara

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara

21/06/2019

Nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenen’ny Initiative pour la Transparence dans les Industries Extractives (ITIE 2019)

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar

21/06/2019

Mbola hilatsaka hatrany io vidin-tsolika io raha ny tokony ho izy, hoy ny mpahay toekarena Rado Ratobisaona nandritra ny tatitra fahatelo mahakasika ny maridrefin’ny Indostria nataon’ny

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar

Hamaky ny tohiny...

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina

21/06/2019

Maro ireo dingana maro tokony hotanterahina amin’ny fampiroboroboana ny orinasa JIRAMA.

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina

Hamaky ny tohiny...

International Fair Tourism Madagascar 60 mahery ireo tsara vintana tamin’ny lalao

21/06/2019

Nizara ny lokan’ireo tsara vintana tamin’ny lalao Tombola tamin’ny ilay fampirantiana ara-pizahantany ITM 2019 izay nokarakaraina tetsy amin’ny CCI Ivato ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka.

International Fair Tourism Madagascar 60 mahery ireo tsara vintana tamin’ny lalao

Hamaky ny tohiny...


Dossier

“Riz Hybride” n’ny Sinoa Asisika ampidirina eto Madagasikara, fa nahoana ?

12/03/2019

Ny Malagasy dia homam-bary. Ny Malagasy dia mamboly vary. Ny vary eto an-toerana anefa tsy ampy lava noho ny antony samihafa: eo ny tsy fahazotoan’ny tantsaha hiala amin’ny fomba mahazatra, ny teknika fambolena tsy mbola miparitaka tsara, ny tsy fahampian’ny fitaovana…

 

 

Isika manana elanelana amin`ny vary hafarana eo amin` ny 300 taonina hatramin` ny 400 taonina isan-taona noho tsy fahampian` ny vokatra ato anatiny. Inona ny paikady tsy maintsy atao? Hampitombo ny velaran-tany volena? Hanatsara ny masim-boly ampiasaina? Fanohanana maro samihafa ve?  Ny fitondram-panjakana dia nametraka fanamby fa tsy hanafatra vary isika aorian` ny 2020. Ao ambadik` izany anefa dia misy ankisika mitranga: orinasa sinoa iray miketrika hampiditra “vary hybride”. Isika no tompon` ny voly vary maro anaka saingy ny firenen-kafa no nahita vokatra sy misitraka izany amin` izao. Kely ny masim-boly “hybride” hambolena fa kosa mamokatra betsaka satria dia 6 taonina isaky ny hektara izany. Tsy vao androany io orinasa sinoa io no nisisika hampiditra io “vary Hybride” teto amintsika fa efa tany amin`ny taona 2006-2007 saingy nisy teknisianina nilaza fa mila mitandrina amin`ity resaka hybride fa tsy mahasoa an` i Madagasikara. Niova ny fitantanana taty aoriana saingy nijery izay lafin-ratsy aterak` izay masim-boly hybride izay. Maro ireo firenena hafa niala tamin`io toy ny Senegal. Nandritra ny taom-pamokarana dia niditra tamin` ny vary “hybride” saingy niverina tamin` ny varin-drazana roa taona taty aoriana.  Olana ihany koa dia ny “Riz hybride” dia tafiditra amin`ny sokajy OGM (Organisme génétiquement modifiè). Tany Eoropa no nanomboana niketrika an` izany saingy miezaka mitady vokatra “bio” (voajanahary) amin` izao fotoana izao satria ratsy ny tsiron` ny vokatra OGM, miteraka aretin-tsaina, mila zezika simika vao mahazo ny vokatra tadiavina. Natao ho tsy hahafatiantoka ity vokatra ity saingy rehefa hambolena dia tsy afaka hangalana ny masim-bola ny vokatra miakatra. Voatery miankin-doha amin` ilay masimboly ka manafatra azy hany ka mitombo ny vola mivoaka satria miverina aotra ny vokatra. Raha ny tranga nisy ihany koa dia misy  fiantraikany ny zezika simika. Haino fa misy masim-boly manodidina 500 taonina no efa eny ambony ny sambo ary mety ambivotra ny hidirany. Araka ny loharanombaovao dia fanomezana ireo masim-boly ireo. Marihana fa 80%n` ny Malagasy dia tantsaha ka ahoana ny ho avin` ireo eo anatrehan` ny “vary hybride”? Misy andrana atao ihany koa eto amintsika amin` ny hazo: kesika sinoa. 6 hatramin` ny 8 taona dia azo kapaina kanefa ny zava maniry manodidina azy haingam-papotehana.  Ny laharampahamena eo amin` ny toekarena dia telo ihany: ny lalana, ny angovo ary ny fanabeazana. Safidy politika io fa tsy hoe hizakazaka hanenjika vokatra satria misy “contrat-programme” ka horefesina ny fahavitana tena ara-bary fa ny fiaintraikany amin` izay amin`ny 27 tapitrisa sy ny tantsaha 80%, mba ahoana?

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana