Dans la męme rubrique

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna

12/06/2019

Vinavinaina ho amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara.

Fifidianana ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

11/06/2019

Mikorotan-tsaina tanteraka ny ray aman-dreny monina eny amin’ny manodidina an’Ambohibao sy Talatamaty ankehitriny.

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

Hamaky ny tohiny...

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

HALATRA TAOLAM-PATY

08/03/2019

Taolam-paty 3gony miisa 150 no azon ny polisy .tao Ampasinahampoana sy Andranara – Tolagnaro.

 

 

 Tanora mbola herotrerony miisa enina no tra-tehaka tamin’izany. Saika foana tsy misy taolana avokoa ny fasana any an-toerana. Mbola tazonina ao amin’ny komisaria bazaribe hanaovana fanadihadiana izy ireo.

AROVANA MAFY

Dia mbola arovan’ny polisim-pirenena ihany ny olona maloto eo anivon’izy ireo. Tsy iza izany fa ilay mpiambina manokana ny minisitry ny polisy teo aloha izay sarona nanao fanafihana tetsy Andoharanofotsy. Nolazain’ny polisy indray fa kisendrasendra no nahatongavany teo ary avy niasa alina izy nandeha an-tongotra hody ka nahita ny fifanjevoana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy. Manabarabara olona tanteraka !

FIZAHAN-TANY

Tsy mitsahamitombo ireo tsy manara-dalana eo amin'ity sehatra ity ka mahatonga endrika ratsy amin'ny ankapobeny mihitsy eo amin'ny fizahantany eto Madagasikara. Hatramin'ny fahavalon'ny aprily no tsy maintsy anaterana ny mombamomba ny foto-drafitr’asa, eny amin'ny ministera ka ahafahana manome sazy ireo izay mbola tsy manaraka ny fepetra rehetra. 

ANDRO RATSY

 Mbola hitohy ny andro ratsy sy ny rotsankorana ao anaty ny telo andro. Any amin'ny tapan'avaratry ny nosy no tena hanorana'. Hiova rivotra ihany koa ny any atsinanana. Efa misy sahady ny rivozoa mananontanona amin'ny lakan-dranon'ny Mozambika hoy ny meteo ka mitondra ny orana be amin'ny faritra maro manerana ny nosy. 

MINISTERAN’NYANGOVO

Handray fepetra amin'izay ny ministeran'ny angovo raha toa ka tsy milamina ny disasisa eo amin'ny sendika sy ny Tale jeneralin’ny Jirama. Miantso fitadiavana vahaolana malaky ny ministera mba tsy ny vahoaka no atao fahirano amin'ny jiro sy rano tapaka hoy ny ministry ny angovo. Horonantsarimihetsika efa niverimberina hatrany ny toa izao efa hatramin’ny andron’ny tetezamita. 

AMPAMOAKAN’I JEAN NIRINA

Milaza ny hanao ampamoaka goavana anio ny olona akaiky an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa eo anivon’ny fikambanana Hafari Malagasy. Holazain’izy ireo ny anaran’ireo trondro vaventy ao ambadiky ny ady tany eto Antananarivo, raha araka ny fampitam-baovaony omaly. Hampiantso mpanao gazety izy ireo ary dia hotononiny tsirairay eo ireo karàna sy gasy mpiray tsikombakomba amin’ny halatra tany. 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana