Dans la męme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanĂ na teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanĂ na teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Voafonja Mbola miandry fitsarana ny 60%

08/03/2019

Niroborobo ny fisamborana tato ho ato na ny tsy fandriampahalemana na ny kidnapping na ny raharaha maro samy hafa.

 

 

 Nampakatra ny isan’ny mpiandry fitsarana avokoa ireny. Raha ny tatitra navoakan’ny Amnesty international, ny 60% amin’ireo voafonja no voatana vonjimaika miandry fitsarana, araka ny tatitra nivoaka nialoha ny faran’ny taona teo. Amin’ireo 20.000 mahery voatana any amin’ny toeram-piarenana 82 manerana an’i Madagasikara, ny 12.000 dia miandry fitsarana avokoa. Mihoatra ny 60% kosa izany ho an’ny fonjaben’i Tsiafahy sy Antanimora. Amin’ireo 900 mahery voatana ao Tsiafahy, 400 mahery miandry fotoam-pitsarana avokoa. Ny ao Antanimora mihoatra ny 1 600 amin’ireo telo arivo mahery. Misy ny tratra ambodiomby, saingy efa manefa betsaka mialoha ny fe-potoana sahaza azy izy ireny. Ireo tondro molotra sy voarohirohy amin’ny zavatra tsy natao kosa dia nitondran’io fikambanana iraisam-pirenena io sy ireo mpiaro ny zon’olombelona fanamarihana manokana amin’ny fiainana fadiranovana ao am-ponja, tahaka ny fibosesehana anaty trano tery iray, ny sakafo tsizarizary, ny loto sy valan’aretina isan-karazany mety mitranga. Efa im-betsaka no namelona lakolosy ireo fikambanana mpiaro ny zo maha olona ireo, indrindra ho fanokanana na fijerena manokana ireny voafonja miandry fitsarana ireny, izay tsy mifanaraka amin’ny fepetra iraisam-pirenena. Manampy trotraka izany ny fahasahiranana noho ny fitarazohana ela, misy am-bolana maro noho ny pitsopitson’ny zotram-pitsarana tsy voaraka ka mihemotra lava sy ny vakansin’ny fitsarana. Misy aza moa lasa « gadra mandra-pahafaty » noho izy tsy voatsara nefa maty any am-ponja. Tsy latsaky ny 150 io tranga io, araka ny tatitry ny amnisty international nandritra ny taon-dasa sy ny teo alohany. Firenena nanasonia ny fanajana ny  zon’olombelona anefa ny fanjakana Malagasy ka mila mijery akaiky ny tranga toy izany.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana