Dans la mme rubrique

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara

21/06/2019

Nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenen’ny Initiative pour la Transparence dans les Industries Extractives (ITIE 2019)

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar

21/06/2019

Mbola hilatsaka hatrany io vidin-tsolika io raha ny tokony ho izy, hoy ny mpahay toekarena Rado Ratobisaona nandritra ny tatitra fahatelo mahakasika ny maridrefin’ny Indostria nataon’ny

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar

Hamaky ny tohiny...

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina

21/06/2019

Maro ireo dingana maro tokony hotanterahina amin’ny fampiroboroboana ny orinasa JIRAMA.

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina

Hamaky ny tohiny...

International Fair Tourism Madagascar 60 mahery ireo tsara vintana tamin’ny lalao

21/06/2019

Nizara ny lokan’ireo tsara vintana tamin’ny lalao Tombola tamin’ny ilay fampirantiana ara-pizahantany ITM 2019 izay nokarakaraina tetsy amin’ny CCI Ivato ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka.

International Fair Tourism Madagascar 60 mahery ireo tsara vintana tamin’ny lalao

Hamaky ny tohiny...

Orinasa tsy manaja fifaninanana eto Madagasikara Tsy mbola manana tarehimarika ny mpanadihady

21/06/2019

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly ny fankalazana ny andron’ny fifaninanana eto Madagasikara notontosaina tetsy amin’ny Pave Antaninarenina.

Orinasa tsy manaja fifaninanana eto Madagasikara Tsy mbola manana tarehimarika ny mpanadihady

Hamaky ny tohiny...

Tanora sy ny fiarovana ny tontolo iainana Mifamatotra hiteraka fampandrosoana

19/06/2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny CCI Ivato ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny tanora sy ny asa fiarovana ny tontolo iainana na ny FIJEV izay haharitra 5 andro.

Dossier

Mpanao aferana andramena Tsy omby ny fonja raha tena henjehina

08/03/2019

Henjana ny sazy miandry amin’ny aferana hazo sarobidy eto amintsika, raha ny lalàna 2015-056 no arahina an-tsakany sy an-davany. Ireo rehetra tratra eo am-panapahana na saika hanapaka boaderozy na “bois d’ébène”,

 dia sazian’ny lalàna hanao asa an-terivozina 10 taona miampy lamandy 50 hatramin’ny 100 tapitrisa ariary. Ny rehetra mitrandraka na mikendry ny hanao izany, ny mitatitra tsy ara-dalàna na an-tanety na an-dranomamy na an-dranomasina na ana hakakabaka, ny ahatrarana tahiry tsy ara-dalàna, ny mividy na mivarotra,… dia gadra 6 volana hatramin’ny 2 taona arahina lamandy 1 tapitrisa hatramin’ny 5 tapitrisa ariary na koa gadra 2 hatramin’ny 5 taona miampy lamandy 10 tapitrisa hatramin’ny 40 tapitrisa, indrindra ho an’ireo mbola niezaka namafa sy namotika ny porofo fa nisy ny heloka, ary tahaka izany ihany koa ho an’ireo niketrika ara-pitaovana nenti-nanatanteraka ny fandikan-dalàna,… Raha amin’ny anaran’ny olona ambony na mpitondra na solontenany no voamarina fa anisan’ny nikotrika ny afera maloto, dia 100 tapitrisa hatramin’ny 500  tapitrisa ariary ny onitra, ankoatra ny mety ho fidirana am-ponja an-taonany maro.  Ireo rehetra tratra manondrana an-tsokosoko, manelanelana mivantana na an-kolaka mba hahafahan’ny trafika mandeha na inona na inona andraikiny, ary indrindra ny mpaniraka sy ireo mahazo tombontsoa, ny mpiray tsikombakomba, ny mpitarika ireo andian’olona mitatitra azy ho eny amin’ny fitatarena an-dranomasina,… dia tsy afa-maina raha ny voalazan’io lalàna 2015-056 io. Tamin’ny 2015 ny lalàna no tafapetraka, noheverina fa natao tena hanenjehana ny mpanondrana tsy ara-dalàna hazo sarobidy, izay efa tany amin’ny 2009 no tena nanjaka io. Nalaza hatramin’ny hoe 3000 kaontenera ny andramena navoaka teto raha kely indrindra. Niraraka ny sazin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena manara-maso sy miaro ny biby na zava-manan’aina ahiana ho lany tamingana (CITES), fa tsy hita aloha izay tena fanenjehana sy fahatrarana ny tompon’antoka. Ny bolabolana andramena 30.000 tratra tany Singapour ny taona 2014 aza samihafa ny nambaran’ny minisitra nifanesy. Atoa Anthelme Ramparany nilaza fa ara-dalàna izany, ny minisitra taty aoriany Ndaimananjara Johanita nilaza fa tsy ara-dalàna,… dia toa vitavita ho azy teny. Tsy vitan’ny olona roa sy telo monja nalefa any am-ponja toy ny misy ankehitriny io, raha tena mihatra tokoa ny lalàna fa mety mila fonja manokana mihitsy no hasiana ny mpanondrana andramena.

Toky R

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana