Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ahiana hamoa-doza ao Antanimora Nosarahan-toerana i Claudine sy Stéphanie

08/03/2019

Nafindra toerana nanamboarana trano manokana hitazonana azy Rtoa Claudine Razaimamonjy, izay nafindran’ny fanjakana Rajoelina etsy Antanimora. Misy gadralava efa nohelohina higadra sy hiasa an-terivozona mandra-pahafaty dia I Roger Lala Stéphanie,

 

 

 izay nalaza tamin’ny resaka fakana an-keriny toy ny raharaha Annie sy Arnaud tany Toamasina no antony, hoy ny minisitry ny fitsarana Jacques Randrianasolo. Tsy azo ampiraisina trano ireo, fa sao mifanome loha ao amin’ny resaka vola sy ny asan-dahalo ataon’ny anankiray, ka vao mainka hiteraka korontana ho antsika, ary baiko avy any ambony mihitsy no hanasarahana toerana azy, raha ny fanazavany. Tsy misy toerana natokana ho an’ny vehivavy afa tsy iray ihany rahateo ao, ka izay no nanamboarana ny toerana kely misy mpiambina ho an’ny iray. Misy aza ny karazana loharanom-baovao fa mitaritarika olona hikomy ao i Roger Lala Stéphanie, ka mety hananganana trano manokana ihany koa, raha ny fanazavana hatrany. Efa nalefa tany Antsiranana izy, ary nisy fakana an-keriny indray tany, ka tsy nanaiky ny fanjakana ka namerina azy higadra ao Antanimora ihany. Tetikasan’ny filoham-pirenena rahateo, hoy ity minisitra ity, ny hanamboatra fonja manokana ho an’ireo tena olon-doza ireo ka ao anatin’ny enim-bolana no kendrena hanamboarana azy. Efa nahita toerana hananganana azy, fa miandry ny fanatanterahana sisa.  Omaly moa, dia nisy ny fanoloran’ny Vondrona Eoropeanina fiara tsy mataho-dalana miisa 4 ho an’ny minisiteran’ny fitsarana. Ao anatin’ny tetikasa antsoina hoe: “Ny fanjakana ho an’ny daholobe” hanamorana ny asa, indrindra fa any amin’ny tany lavitra andriana hahafaha-manao fitsirihana ny fomba fiasa sy hiadiana amin’ny kolikoly. Ny birao mpanao fanadihadiana ara-pitsarana sy ny fandraharahana ny fonja no hampiasa azy ireo.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana