Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fidirana ho mpianatra kaomisera 2018 Mitaraina ireo niharan’ny tsy rariny

05/03/2019

“Maso njola ho an’ny roa, Diplaoma diso ho an’iray”. Ireo no fepetra nentina nanilihana mpifaninana ho mpianatra ho Kaomisera tamin’ny taon-dasa na tsy mitombona aza izany araka ny fiheveran’ny fianakaviana.

 

 

 

 

Nanatitra fitarainana teny amin’ny “Doléances Présidence”, tamin’ny herinandro teo,  ny mpiadina iray nifaninana ho manam-boninahitra teo anivon’ny Polisim-pirenena ny taona 2017. “Efa nanatona ireo rafitra miady amin’ny kolikoly tahaka ny  Bianco sy ny PAC izahay ary fa mbola miandry ny tohiny.” Hoy ny ray sy renin’ny mpiadina iray. Nilaza izy ireo fa efa niakatra fitsarana ny raharaha fa nandresy ny Polisim-pirenena na efa nentina avokoa aza ny porofo. Anisan’izany ny avy amin’ny dokoteram-panjakana fa tsy gila ireo roalahy. Nentina teo amin’ny fitsarana koa  ny fanamarinana nataon’ny vadintany ny mampitombona ny diplaoman’ny mpianatra iray. Tsahivina moa fa ny taona 2017 no natao ny sivana, ka voaray niadina am-bava sy ny fanatanjahan-tena izy telo mirahalahy ireo ny voalohan’ny toana 2018. Gaga anefa izy ireo fa nisy tsy nahavita ny hazakazaka 800m sy ny fianihana tady 8m nefa afa-panadinana. Rehefa hita tany amin’ny tribonaly ny naoty, nahazo salan’isa ambony ireo telo fa ilay nahazo ambaniny indray tahaka ny 9/20 no tafiditra. Tsy niditra ara-potoana ny 2 jolay 2018 ireo mpiray mihira tamin’izy ireo noho ity olana ity fa niroso tamin’ny fianarana anefa ireo lazaina fa afa-panadinana ny Novambra teo. Araka ny loharanom-baovaon’ny fianakaviana, misy efatra tsy nahavita ny “formation commune de base” tamin’ireo 20 voaray ka miandrandra ireo  voailika mba horaisina amin’izany.  Raha nanontany  ny tomponandraikitra tany amin’ny Ministera mpiahy ny famoahana “équivalence”, FOP 67ha ny mpanao gazetinay, dia manana ny rariny ny Polisy, tsy nangataka “équivalence” ho an’ny taona faha-4 ny eny Ankatso ka tsy misy lanjany ho mari-pahaizana ny M1. Noho ny lamina LMD dia ny “Licence” sy “M2” ary “Doctorat” ihany no diplaoma. Amin’ny Oniversite tsy miankina no maro ny nangataka ka mijaona ho diplaoma ny bakalorea +2 na  “DTS” sy baka+4 ho “Master one” fa  “attestation de réussite” fotsiny ho an’Ankatso. Izay lafiny izay no mety nampitombona ny avy amin’ny Polisim-pirenena ka nampandresy ireto farany tany amin’ny fitsarana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana