Dans la mme rubrique

Mpikambana ao amin’ny HCJ Mikarama 20 tapitrisa ariary, hoy ny SG-n’ny OSCEC

25/06/2019

Manaitra ny fitondram-panjakana ny fiarahamonim-pirenena amin`ny tsy tokony hisian’ny fanavakavahana na iza na iza amin`ny famotorana rehetra atao eny anivon`ireny rafi-pitsarana samihafa ireny.

Mpikambana ao amin’ny HCJ Mikarama 20 tapitrisa ariary, hoy ny SG-n’ny OSCEC

Hamaky ny tohiny...

Fahaleovantenan’i Madagasikara Tsy maharesy lahatra hatreto

25/06/2019

26 jona 1960 – 26 jona 2019. Feno 59 taona rahampitso ny nanambarana amin’ny fomba ofisialy fa firenena mahaleotena i Madagasikara rehefa avy nozanahan’ny frantsay nandritry ny 63 taona (1897 – 1960).

Fahaleovantenan’i Madagasikara Tsy maharesy lahatra hatreto

Hamaky ny tohiny...

Harena ankibon’ny tany - Fasimainty Tsy mbola mitrandraka ny orinasa Base Toliara

24/06/2019

Nanao fanambarana ny Tale jeneralin’ny Base Toliara, Jean Bruno Ramahefarivo fa tsy misy zavatra miafina ny antontam-baovao na ny antontanisa ao amin’ny orinasa hitrandraka fasimainty fa misokatra ho an’ny rehetra.

Harena ankibon’ny tany - Fasimainty Tsy mbola mitrandraka ny orinasa Base Toliara

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara

21/06/2019

Nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenen’ny Initiative pour la Transparence dans les Industries Extractives (ITIE 2019)

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar

21/06/2019

Mbola hilatsaka hatrany io vidin-tsolika io raha ny tokony ho izy, hoy ny mpahay toekarena Rado Ratobisaona nandritra ny tatitra fahatelo mahakasika ny maridrefin’ny Indostria nataon’ny

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar

Hamaky ny tohiny...

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina

21/06/2019

Maro ireo dingana maro tokony hotanterahina amin’ny fampiroboroboana ny orinasa JIRAMA.

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina

Hamaky ny tohiny...

International Fair Tourism Madagascar 60 mahery ireo tsara vintana tamin’ny lalao

21/06/2019

Nizara ny lokan’ireo tsara vintana tamin’ny lalao Tombola tamin’ny ilay fampirantiana ara-pizahantany ITM 2019 izay nokarakaraina tetsy amin’ny CCI Ivato ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka.

International Fair Tourism Madagascar 60 mahery ireo tsara vintana tamin’ny lalao

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Orinasa Fanalamanga Mbola manana ala azo trandrahana mandritra ny 24 taona

05/03/2019

Taorian’ ny fanambarana nataon’ ny sendikan’ ny mpiasa eo anivon’ ny orinasa Fanalamanga (STFAN) dia nanambara ny tale jeneralin’ ny orinasa, Atoa Rakotonirina Augustin, fa tsy misy tokony mampanahy ny mahakasika ny ala ao Moramanga.

 

 

 Nohamafisiny hatrany fa mbola misy ala azo trandrahana mandritra ny 24 taona mitohy amin’ ny velaran-tany iasan’ ny orinasa Fanalamanga. Notsipihany fa voarafitra ao anatin’ ny drafitra fanajariana ny fitantanana ny ala izany na “plan d’aménagement de gestion forestière”. Ao anatin’ ny fandaminana tanteraka ihany koa ny orinasa Fanalamanga ankehitriny, hoy hatrany ity tale jeneraly ity. Raha tsiahivina, nilaza ny sendikan’ ny orinasa Fanalamanga (STFAN) fa very fanahy mbola velona ireo mpiasa ankehitriny. Nilaza izy ireo fa velaran-tany manodidina ny 23 000 ha  sisa no misy asa ao anatin’ ny faritra tantanan’  ny orinasa ao Moramanga saingy ny 3000 ha ihany no misy hazo vaventy azo trandrahana avy hatrany raha mbola afaka 10 taona vao azo trandrahana ny 3000 ha fanampiny ary afaka 24 taoana kosa vao azo trandrahana ny 17 000 ha. Velaran-tany 1000 ha misy ala anefa no tsy maintsy trandrahana isan-taona mba hahafahany mihodina toy ny fandoavana ny karaman’ ny mpiasa, ny fanarenana ny faritra avy notandrahana ary koa fikarakarana ny ala. Araka izany, afaka 3 taona sisa dia ho lany ireo hazo vaventy azo trandrahana, hoy ny fanazavana nataon`  ny sendika. Marihana fa miisa efatra ny sendika eo anivon’ ny orinasa Fanalamanga ka iray amin’ izy ireo ny STFAN.

 

Marigny A. 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana