Dans la mme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitantanana ny firenena Lasa an-kitsapatsapa sisa

05/03/2019

Tapitra mimenomenona ny rehetra. Tsy mbola tao anatin`ny tantara ka ao anatin’ iray volana nitondran’ ny filoham-pirenena iray, betsaka no tsikera mivoaka amin’ ny firenena. Tsy ny vahoaka ihany fa ao ny mpianatra, ny mpitandro filaminana, ny fiarahamonim-pirenena, ny diosezy….

 

Eny amin’ ny facebook, sesilany ny tsikera. Raha nijery ny vokatra tamin’ ny fifidianana filoham-pirenena dia heverina fa tsy hisy no hitsikera an` ity filoham-pirenena ity. Fanagadrana mpianatra, fisamborana etsy sy eroa… Tezitra ny olona. Inona no tokoa ny zava-misy eto amintsika? Ny tsy fanaovan-politika amin’ ny tokony ho izy ve? Tany tan-dalàna kanefa lasa fisamborana sy fanagadrana ary lonilony politika no misy eto amin’ ny firenena. Sao sanatria misy olona manipy hodin-akondro ny Filoha? Misy mitarika azy mankany amin’ ny lalan-diso? Ireo fanapahan-kevitra no raisina ireo mantsy dia tsy mitarika amin’ ny fitoniana ara-politika, tsy mitarika ny vahoaka hanaraka ny mpitondra amin’ ny fampandrosoana ny firenena fa toa fitarihana ny vahoaka ho tezitra. Tsy tafiditra ao anatin’ny fampanantenana avokoa no misy.  Fiarovana mivantana ny tombon-tsoan’ ny vahoaka no andrasan’ ny tsirairay. Ny hampilamina ny fitoniana ara-politikla ao aminy, tsy hisian’ ny mpangalatra ao aminy, ny ahafahany mitsabo tena, ahafahany mampiana-janaka, ahafahana manana trano manaraka ny fenitra no laharampahamena. Tsy fepetra noraisina hatramin’ izay fa fanapahan-kevitra mandeha ila. Mbola ao anatin’ ny fitsapatsapana ny fitondrana amin’ ny fitantanana raharaham-pirenena ka tonga amin’ ny fanapahan-kevitra tsy hitondra amin’ ny fampandrosoana sy amin’ ny fitoniana.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana