Dans la męme rubrique

Fifidianana ben`ny tanĂ na Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanĂ na sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanĂ na Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana solombavambahoaka Lasa fifaninanana amin`ny alalan`ny vovonana politika

05/03/2019

Mbola manomana sy ao anaty fifantenana kandidĂ  harotsaka ihany koa ny ankamaroan`ny antoko politika izay saika nivondrona ao anaty vovonana ny ankamaroany.

 

 Lasa fifaninanana amin`ny alalan`ny vovonana ara-politika no hisongadina amin`ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina ny 27 mey ho avy izao. Saika mivondrona ao anatin`ny vovonana avokoa ankehitriny ireo antoko politika mitovy fomba fijery ary hivondrona amin`ny fandrotsahana kandidà hifaninana amin`ny distrika manerana ny nosy. Vovonana telo lehibe no fantatra hatreto dia ny TIM-K25, izay hivondronan`ny TIM sy ireo mpiara-dia aminy, ny Vondrona Tia Tanindrazana (VTT) izay ahitana ireo antokon`ny kandidà sasany tamin`ny fifidianana filoham-pirenena ary ny Coalition Pro-Regime, izay ahitana ny antokon`ny fitondrana sy ny tao anatin`ny ARMADA. Mbola ao anatin`ny adihevitra handrafetana ny lisitr`ireo kandidà harotsaka ho mpifaninana manerana ny nosy izy ireo. Be loatra ny antoko politika ary mivondrona ny mitovy fomba fijery. Amin`ity herinandro ity vao mety ho fantatra ny lisitra avy amin`ireo vovonana samihafa sy antoko. Misy kosa no handrotsaka amin`ny anarany manokana sy ny kandidà mahaleotena saingy mbola ao anatin`ny fanomanana raha zohina ny zava-misy ankehitriny. Hatreto, mbola vitsy ny distrika efa nametraka anton-taratasy firotsahan-kofidiana. Ny OVEC Toamasina, Taolagnaro ary Avaradrano no efa nahazoam-baovao fa manana kandidà. Tsikaritra kosa fa betsaka no mangataka fanampim-panazavana eny anivon`ny OVEC.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana