Dans la mme rubrique

Lisi-pifidianana manondrana lava Lisitra biometrika no vahaolana…

17/06/2019

Tsy azo hihodivirana ny hidiran`i Madagasikara amin`ny fampiasana ny lisitra biometrika sy ny tena mangarahara amin`ny fifidianana, hoy ny CENI.

Lisi-pifidianana manondrana lava Lisitra biometrika no vahaolana…

Hamaky ny tohiny...

Fidele Razara Pierre “Nahafa-po ny asan`ny CENI”

17/06/2019

« Naneho ny fahendreny sy ny fahasahiany ny CENI raha namoaka ny voka-pifidianana feno tsy ofisialy », hoy i Fidele Razara Pierre, kandidà TIM nirotsaka tany Ambatondrazaka.

Fidele Razara Pierre “Nahafa-po ny asan`ny CENI”

Hamaky ny tohiny...

Valim-pifidianana depiote «Aoka mba ny fahamarinana no handresy »

17/06/2019

Mbola vonjimaika ny an’ny CENI, miandry ny vokatra ofisialin’ny HCC izahay, hoy ny kandida Todisoa Andriamampandry eny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo.

Valim-pifidianana depiote «Aoka mba ny fahamarinana no handresy »

Hamaky ny tohiny...

Vokatra vonjimaika Niaiky ireo lesoka sy halabato ny CENI

17/06/2019

Akon` ny fifidiananana sy fikirakirana ny voka-pifidianana no tena nibahana nandritra ny fanambarana ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin` ny CENI ny sabotsy lasa teo.

Vokatra vonjimaika Niaiky ireo lesoka sy halabato ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Depiote Jean François Michel Hendry ny vahoakan’Antsirabe I

17/06/2019

Hendry ary mahatsapa ny fahaiza-manaon’ny TIM ny vahoakan’Antsirabe matoa nametraka fanindroany ny fitokisany, hoy ny depiote Michel izay mitarika vonjimaika hatrany hatramin’ny famoahan’ny CENI ny vokatra omaly tetsy Alarobia.

Depiote Jean François Michel Hendry ny vahoakan’Antsirabe I

Hamaky ny tohiny...

Toky nomen’ireo kandida “Nisy ny indrokely izay mila harenina”, hoy i Maka Alphonse

17/06/2019

“Voahaja ihany ny toky nomena izay nosoniavin’ny 70%-n’ireo kandidà solombavambavambahoaka”, araka ny resaka nataon’ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy (CFM) ny sabotsy lasa teo teny Alarobia.

Toky nomen’ireo kandida “Nisy ny indrokely izay mila harenina”, hoy i Maka Alphonse

Hamaky ny tohiny...

Paul Kagame hireharehan-dRajoelina Ny politikan-dRavalo no akaiky azy…

17/06/2019

Hireharehan’Atoa Andry Rajoelina mafy ny hahatongavan’ny filoha Rwandais Paul Kagame eto Madagasikara, ary efa manomboka harantiranty eran’ny tanàna, toy ny eny Ankorondrano ny sariny.

Paul Kagame hireharehan-dRajoelina Ny politikan-dRavalo no akaiky azy…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fahalalana maneho hevitra Mihemotra ny demokrasia eto Madagasikara

05/03/2019

Mihemotra ve ny fahalana maneho hevitra? Mihemotra ny demokrasia? Misy ny tranga eto amin’ ny- firenena azo heverina fa misy rariny amin’ ny zava takiana sy tiana hatao.

 Misy kosa tranga hita mazava fa resaka politika. Amin’ izao aloha, izay mihetsika dia takonam-bava. Kanefa, ny Filoham-pirenena dia nilaza mazava tsara nandritra ny fampielezan-kevitra na hatramin’ ny andron’ ny fifidianana fa demokraty. Araka izany, mahalala tsara ny lanjan’  ny fanehoan-kevitra izany izy, mahalala tsara ihany koa  nyfihetsiketsehana. Ny demokraty mantsy mahalala ny zon’  ny tsirairay, zon’ ny olombelona… Eo amin’ izay zon’ ny olombelona izay indrindra dia zo no manao fitokonana (droit de grève) Maro ireo hetsika tato ho ato kanefa mazava ny hafatra avy amin’ ny fitondram-panjakana: herisetra (baomba fandatsahan-dranomaso…) Tsy vitan’ ny baomba lakrimozenina fa avy hatrany mampiditra am-ponja. Tsy misy intsony ny fitsarana fa tonga dia gadraina ny mpitarika grevy na inona na inona ny rariny hananany. Fanarotsaromanana ny ratra, daka, hitsakitsaka nandritra ny hetsika izany rehetra izany. Zon’ ny olombelona no migrevy kanefa ilay zo mihitsy no avy hatrany dia no tapahan-doha. Tsy misy fijerana hoe aiza ny rariny sy ny hitsiny fa midoboka avy hatrany.  Diso lalana ny fitondrana amin’ ny fanehoana fa izy ireo no tompon’ ny tanàna sy mifehy ny firenena. Ny miditra am-ponja dia zavatra goavam-be tahaka ny hoe manohintohina ny fiainam-pirenena, manohintohina ny fiandrianan’ ny firenena dia tsy azo atao ny fanagadrana olona tahaka ireny fa misy dingana arahina. Mazava ny hafatra, tsy misy sehatra ho an ‘ny fanehoan-kevitra intsony eto amin’ ny firenena afa-tsy ho an’ ny fitondrana izay manana ny hery rehetra afaka mampiasa izany amin’ ny fotoana rehetra. Amin’ ny raharaham-pirenena ankehitriny, miandry ny vahoaka hoe aiza ho aiza ny fanomboahan’ ny asam-pandrosoana? Manomboka aiza ilay velirano?

 

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana