Dans la męme rubrique

Fifidianana ben`ny tanĂ na Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanĂ na sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanĂ na Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ady amin`ny tsimatimanota Ampy izay ny fialokalofana amin`ny fanaovana politika

28/02/2019

Mila miala amin`ny kolontsain`ny tsimatimanota isika eto Madagasikara raha tiana handroso. Amin`ny ankapobeany, tafapetraka ao anatin`ny fomba amam-panao izay mahazo fahefana izany.

 

 

 

 Ampy kosa izay ny fialokalofana amin`ny fanoavana politka entina manadio tena na manao fanamparam-pahefana. Sesilany ny fisamborana ary zava-dehibe saingy mila mandeha lavitra kokoa ary mijery ireo mpanao trafika isan-karazany. Tsy tokony hanavahana na iza na iza anefa raha tiana hiady amin`ny tsimatimanota. Ny serasera anefa bango tokana hoe mpomba ny fitondrana teo aloha no nanao ny tsy nety ka mandray andraikitra ny fanjakana ankehitriny. Izany hoe, olona meloka daholo ny mpitondra teo aloha. Iza anefa no tsy mahalala sy mahafantaratra fa misy olona eo amin`ny fanjakana ankehitriny no voasaringotra amin`ny raharaha samihafa. Tsy ny eo anivon`ny  fitondrana ve no tena manao ny ataony amin`ny kolontsain` ny tsimatimanota amin`izay fisian`ny mizana tsindrina ila amin`ny fampiharan-dalàna? Tsy tokony hijanona amin`ny fisamborana ny fitondrana fa mampiseho fandraisana andraikitra amin`ny tsy fitanilana. Najoro ny rafitra “Pole anti-corruption” (PAC) mba hanampy ny BIANCO sy ny SAMIFIN. Ny voasambotra tsy fantatra izay ho tohiny kanefa hisambotra olon-kafa indray. Aiza ilay mangarahara? Mifanohitra an`izay nambaran`ny filoha Rajoelina ny zava-misy raha toa ka tsy fitsarana mitanila sy tsy madio no hitsarana an`ireo olona ireo. Fitsarana politika aloha no misy eto fa tsy fitsarana mahaleotena. Vao tonga teo amin`ny fitondrana ny filoha dia miendrika lonilony politika na lolom-po tsy voafehy ny fanapahan-kevitra noraisiny. Tao anatin`izay iray volana mahery nitondran`ny filoha Rajoelina izay dia hita fa mitanila ary ahiana ho fitaovana politika ny fitsarana ao anatin`ny fitantanana raharaham-panjakana.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana