Dans la mme rubrique

Rajoelina sy Christophe Bouchard Nangatsiaka ny fihaonana, tsy faly ny Frantsay…

29/09/2020

Miha lalina hatrany ny hantsana eo amin` I Madagasikara sy I Frantsa, hoy ny andian-dahatsoratra navoakan’ny gazetiboky amin`ny aterineto Africa Intelligence omaly 28 septambra 2020.

Rajoelina sy Christophe Bouchard Nangatsiaka ny fihaonana, tsy faly ny Frantsay…

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Lasa fampihorohoroana ny lalàna cybercriminalité »

29/09/2020

Ny zavatra nanenjehana ny teo aloha no lasa miverina ankehitriny, hoy ny depiote sady mpahay lalana, Hanitra Razafimanantsoa, nampatsiahy ny tolona nataon’izy ireo niaraka tamin’ny depiote 73 tamin’ny 2 taona lasa.

Hanitra Razafimanantsoa “Lasa fampihorohoroana ny lalàna cybercriminalité »

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana loholona Handeha ila raha ho raikitra, hoy ny HVM

29/09/2020

Nanomboka tamin’ny fanambarana ofisialin’ny antoko politika maro ny 17 septambra teo tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo fa manohitra ny fifidianana loholona kasaina ho

Fifidianana loholona Handeha ila raha ho raikitra, hoy ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana loholona Mifanazava ireo teknisianina!

29/09/2020

“Tsy maintsy miroso amin` ny fitsapankevim-bahoaka vao afaka mandrava ny CENI. Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana loholona araka ny lalàna velona eto amin`ny firenena.

Fifidianana loholona Mifanazava ireo teknisianina!

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Gejaina ny fanoherana..

29/09/2020

Amin` izao dia mitsangana ny fanoherana ka mijoro ireo antoko mpanohitra sy fikambanana mitsangana ao anaty fanoherana. Zava-dehibe ny fahatsapana ny tsy fetezana eto amin`ny firenena ka ilaina ny fahasahiana mijoro.

Fiainam-pirenena Gejaina ny fanoherana..

Hamaky ny tohiny...

Depiote Leva Nohelohina higadra 3 taona

29/09/2020

Niakatra fitsaràna omaly 28 septambra tao amin'ny tribonaly ambaratonga voalohany ao Morondava i Raveloson Ludovic na Leva, depioten'i Mahabo teo aloha.

Depiote Leva Nohelohina higadra 3 taona

Hamaky ny tohiny...

Raoera Chandoutis “Ampiharo ny fihavanana”

29/09/2020

Mitaky ny hisian` ny fifanatonana eo amin`ny samy mpanao politika manoloana ny fandroritana politika amin` izao fotoana izao ny mpitarika ny firaisamonim-pirenena misahana ny zon` ny olombelona Mijoro Mampandroso Vahoaka, Rtoa Raoera Chandoutis.

Raoera Chandoutis “Ampiharo ny fihavanana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Zanak’i Sazalahy Tsianihy -Regtim Sakaraha Dahalo 20 lahy namono sy nandroba azy mivady

26/02/2019

Fantatra, araka ny tatitra nampitain’i Sazalahy Tsianihy filohan’ny Regtim any Atsimo Andrefana fa dahalo 20 lahy ireo nitifitra sy namono ary nandroba ny fananan’ny zanany lahy sy ny vadiny tany Sakaraha tamin’ny 25 novambra 2018.

Nisy kabary dina nataon’ny lehiben’ny faritra Atsimo Andrefana, noho izany, tamin’ny 16 febroary 2019 teo  ka tapaka tamin’ny didy navoaka tamin’ny 17 febroary 2019 fa hosaziana ary hampiharana ny vonodina manankery ireo dahalo 20 lahy ireo sy ny fokontany 3 ao amin’ny kaominina ambanivohitra Vineta distrikan’i Sakaraha dia Andoharotsy  sy Ambahatsy ary Vineta Andamasinina. Misy mpitondra sasantsasany anefa, hoy Atoa Sazalahy Tsianihy, sahy manakana sy manelingelina ny firosoana amin’io vonodina io amin’izao fa mifandray amin’ireo dahalo fahavalon’ny fandriampahalemana ka hampitaina aty amin’ny fitondrana mahefa aty ambony. Marihana, hoy ity filohan’ny Regtim Atsimo Andrefana ity fa mizara 3 mazava no mahatonga ny tsy fandriampahalemana any Sakaraha dia ao ny fisian’ny dahalo sy jiolahy itambaran’ireo tanàna maromaro ka ao amin’ny fokontanin’Andoharotsy kaominina ambanivohitr’i Vineta no misy ny foibeny. Ao koa ny asan-dahalo volen’ny ben’ny tanàna any an-toerana amin’ny alalan’ny fanakaramana dahalo hamono olona  izay heveriny fa hifaninana aminy ho ben’ny tanàna indray ary misy koa ny asan-dahalo iraisan’ny sasantsasany ao amin’ny distrikan’i Sakaraha amin’ireo dahalo raindahiny any amin’iny faritra iny. Araka izany, na inona na inona ezaka atao hamongorana ny asan-dahalo any amin’iny faritr’i Sakaraha iny dia ho zava-poana raha tsy iarahan’ny rehetra misalahy hatrany an-tampony ka hatraty ambany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana