Dans la mme rubrique

Lalàna momba ny fanoherana Efa adino tanteraka

21/02/2020

Fanamby napetraky ny filoha Rajoelina hatrany ny hoe “izay zavatra tsy vitan`ireo mpitondra nifanesy taorian`ny fahaleovantena dia hotanterahiko ao anatin`ny dimy taona”.

Lalàna momba ny fanoherana Efa adino tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fampidiran-ketra taona 2020 4029 miliara ariary no hotratrarina

20/02/2020

Nisy ny fihaonana niarahan’ny Fitantanana Ankapoben’ny Hetra (DGI) sy ireo solontenan’ny vondron’orinasa (groupements) tetsy amin’ny DGE (Direction des Grandes Entreprises) Amparibe.

Fampidiran-ketra taona 2020 4029 miliara ariary no hotratrarina

Hamaky ny tohiny...

Hain-tany any Atsimo Hanao hetsika vonjy aina ny fanjakana

20/02/2020

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa hanatanteraka hetsika vonjy aina hamatsiana rano sy sakafo ireo mponina lasibatry ny haintany any atsimo ny fitondram-panjakana .

Hain-tany any Atsimo Hanao hetsika vonjy aina ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

PFNOSCM VOIFIRAISANA « Ajanony ny tsindry amin`ny firaisamonim-pirenena »

18/02/2020

Mitaky ny famotsorana an`i Thomas Razafindremaka (TR) ny vondron`ny firaisamonim-pirenena PFNOSCM VOIFIRAISANA.

PFNOSCM VOIFIRAISANA « Ajanony ny tsindry amin`ny firaisamonim-pirenena »

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-tsosialy –Antananarivo Ny zaza mpangataka no lasa jiolahy

18/02/2020

Lasa tranga efa mahazatra ny mpanara-baovao ny mandre sy mahita zaza tsy ampy taona, nangarom-paosy, nanao sinto-mahery ka tratra.

Olana ara-tsosialy –Antananarivo Ny zaza mpangataka no lasa jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Voka-dratsin’ny Coronavirus amin’ny toekarena malagasy Azo sorohana, hoy ny mpahay toekarena

17/02/2020

Ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana maneran-tany mihitsy dia voafetra satria samy mametraka ny paikady anatiny sy ivelany ny firenen-drehetra mba hahafahana mampihena sy manafoana ny valan’aretina Coronavirus,

Voka-dratsin’ny Coronavirus amin’ny toekarena malagasy Azo sorohana, hoy ny mpahay toekarena

Hamaky ny tohiny...

Fanofanana ny mpianatry ny sekoly teknika Hohatsaraina, hoy ny minisitra

17/02/2020

Tanora afaka mamorona asa ho fanatsarany ny hoaviny sy hampandrosoany ny fireneny no hapetraka manomboka izao, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy fampiofanana teknika, Rijasoa Josoa Andriamanana.

Fanofanana ny mpianatry ny sekoly teknika Hohatsaraina, hoy ny minisitra

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Rafitra momba ny antontan’isa Mila averina alamina

26/02/2019

Ahoana no ahazoana antontan’isa azo antoka sy ara-potoana ? Fanontaniana mipetraka amin’ny resaka fikirakirana antontan’isa eto Madagasikara io.

 

 

  Tafiditra ao anatin’izany, raha ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Instat, Ndremitsara Tarzan, ny fanontaniana hoe mba tsy hisian’ny verindroa na verintelo intsony anaty lisi-pifidianana taorian’iny nanalana anarana mpifidy miisa 200.000 sy ny tariny iny. Tokony hipetraka, hoy ny tenany, ny fenitra ara-dalàna rehetra mba hetezan’ny fomba fiasa satria miankina amin’izay no hisorohana antontan’isa diso na « résultat erronée ». Zava-dehibe ny fananana olona mpikirakira antontan’isa azo antoka. Tsy voatery injeniera fa na mpahay toekarena aza rehefa nomena fiofanana fohy na maharitra na tsikelikely farafaharatsiny, raha ny fanazavany hatrany. Ny lesoka ho antsika voalohany, hoy ny tenany, dia tsy misy ny finiavana politika. Tamin’ny taona 1993, ohatra, no nisy fanisana farany. Faharoa, ny resaka tsy miova ireo fehezan-dalàna na “texte” nefa ny toe-draharaha ekonomika efa niova. 6 tapitrisa no isantsika tamin’ny nahazoana fahaleovantena. Izao efa 26 tapitrisa eo ho eo. Miampy ny fampidirana ireo tetikasa vaovao sy vina maro samihafa, hoy izy. Ireny rehetra ireny dia misy fiantraikany amin’ny fikirakirana antontan’isa avokoa. Mila amboarina toy ny rafi-panjakana ihany koa ny ny rafitra misahana ny antintan’isa, raha ny fanazavan’ity tekinisianina ity hatrany.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana