Dans la mme rubrique

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

17/01/2020

Nampiaka-peo ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Gérard Rakotonirina, omaly, tetsy amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga,

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

16/01/2020

Somary nanaitra ny nahita mpitandro filaminana niatrana am-bava basy toy ireny handrava sy hanakana hetsi-bahoaka ireny tetsy amin’ny Toby Ampahibe izay misy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tsy dia fahita matetika teny an-toerana io.

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

15/01/2020

Miitatra toy ny sima misioka ny olan’ny fampianarana. Nidina an-dalambe sy tonga nandrava ny mpianatra teny amin’ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia omaly maraina.

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna VBG Neken’ny HCC

14/01/2020

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàna miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na ny maha vavy.

Lalàna VBG Neken’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

13/01/2020

Fito taona lasa izay, izany hoe ny 11 janoary 2012 no nanambara ampahibemaso nandritra ny lanonana fifampiarahabana tamin’ireo

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

13/01/2020

Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny handrakofana ala indray eto Madagasikara.

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

13/01/2020

Naparitaka haingana dia haingana tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny resaka nentina nilazana fa misy mikononkona fikomiana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM izay manome ny ORTM.

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Minisitry ny filaminam-bahoaka “Tsy mahazo migrevy ny polisy”

26/02/2019

Tsy nitokona ary tsy mitokona izany ny polisim-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro, hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka Rafanomezantsoa Roger.

    Ny alahady teo aza, raha ny filazany dia nisy ny polisy niasa nandamina ny fifamoivoizana, ary  omaly vao tamin’ny 5 maraina dia efa nanomboka niasa tamin’ny toerana misy azy ireo mpandrindra ny fifamoivoizana. Niasa izy ireo na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritany. Manara-maso ny mety ho fandikan-dalana ataon’ny fiara sy ny moto izy ireo mandritra izany. Tsy mahazo mampiato ny asany amin’ny maha mpitandro ny filaminana azy ny polisy, hoy ny minisitra; miaro ny zon’ny mpikambana no anjara asan’ny sendika fa tsy migrevy, tsy mampiato asa. Nambarany fa hisy ihany koa ny paikady sy fomba fiasa vaovao ataon’ny polisy atsy ho atsy momba ny fanaraha-maso na fisavana ny taratasina fiara, mba hisorohana ny mety hisian’ny kolikoly araka ny fitarainan’ny olona. Izay no fanazavana ofisialy, fa raha ny hita nanomboka ny zoma, sabotsy ary alahady aloha teto an-drenivohitra dia tena vitsy dia vitsy mba tsy ilazana hoe tsy nisy ny polisy niasa. Tsy nisy ny fisavana ireo fiara mandeha amin’ny alina fa dia nalalaka ny lalana. Mbola sahirana nivory andro aman’alina ary ve  ny polisim-pirenena ny faran’ny herinandro teo no tsy hita sa nanao inona marina ?

RTT

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana