Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Be afera mampiahiahy sahady…

26/02/2019

Miezaka mikosoka ny tantaran’ny tetezamita i Andry Rajoelina. Manadio tena sy mametraka ny tenany sy ny mpitondra ho maodely amin’ny ady amin’ny kolikoly, fitantanana mangarahara ny volam-panjakana.

 

 

 Tsy arakarak’izay anefa ny zava-miseho rehefa halalinina ny fomba fitantanany ny firenena. Efa zatra ny lalan-dririnina tamin’ny fotoanan’ny tetezamita, kanefa te hanala ny tandindon’izany. Mampitandrina ny rehetra mba hanara-dalàna Rajoelina fa izy tenany sy ekipany kosa toa mampiseho fa azy ireo ny fahefana ka izay tiany ihany io. Nanafatra fitaovam-piadiana izy ary nambarany fa izy no nanome ireo fitaovana nampiasaina dia fiara vaovao sy basy tetsy Mahamasina ny 19 janoary 2019. Mbola olom-pirenena tsotra izy nialoha ny fifamindram-pahefana sy fianianana. Afaka manafatra fitaovam-piadiana ve ny olon-tsotra ? Tsaroana tsara ny tenin’ny filoha mpisolo toerana Atoa Rivo Rakotovao tamin’izany hoe : atao ahoana sy atao inona ireo fitaovam-piadiana ireo raha tsy lany ilay kandida ?  Tsy misy ny tena mangarahara tao anatin’io fa dia karazana afera maloto sy trafika no azo handikana azy. Tsy nisy resaka antso tolo-bidy (appel d’offre) ireny fa nampidirina fahatany tahaka ny manao didin’ny be sandry. Tahaka izay koa ilay fanafarana vary. Efa eny ambony sambo, hoy izy, tamin’ny fianianany. Volany manokana ary ve no nanaovana izany ? Sa an’ny minisiteran’ny mponina na an’ny minisiteran’ny varotra ? Tsy nisy antso tolo-bidy amina tsenan’asam-panjakana koa io. Na tsy nisy akory ilay izy fa mamahan-dalitra vahoaka Rajoelina na zavatra tsy mazava sy tsy mangarahara. Nambara fa ho avy tsy ho ela ny angidim-by miisa 5 hoenti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Antso tolo-bidy iraisam-pirenena no tokony hatao raha tena arahina ny lalàna fa tsy tahaka ny mividy mofogasy eny an-tsena. 45 andro mialoha farafahakeliny no tokony hanaovana an’io. Tsy ampy 45 andro nitondrana ny firenena anefa i Andry Rajoelina, ary efa iray volana teo izay no nilazana fa ho avy afaka roa volana izany. Raha tena misy io dia tsikaritra fa feno tsy fangaraharana ary tsy voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana hatreto ireny zavatra resahina ireny.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana