Dans la męme rubrique

VAROTRA SY FANJIFANA

24/02/2020

Nandainga avokoa ny fandajàna marobe izay nanaovana fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Bazary-Kely ao Toamasina.

VAROTRA SY FANJIFANA

Hamaky ny tohiny...

VAROTRA SY FANJIFANA

24/02/2020

Nandainga avokoa ny fandajàna marobe izay nanaovana fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Bazary-Kely ao Toamasina.

VAROTRA SY FANJIFANA

Hamaky ny tohiny...

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

20/02/2020

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay lehilahy izay voarohirohy ho mpangala-jaza izay nosamborina tetsy Ambilanibe.

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

Hamaky ny tohiny...

RAZANA NITERAKA OLANA

18/02/2020

Lehilahy iray no nisy nandevina tao amin’ny tranony tetsy Alasora.

RAZANA NITERAKA OLANA

Hamaky ny tohiny...

FILANKEVITRY NY MINISITRA

30/01/2020

Nanome toromarika ny governemanta nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny filoham-pirenena.

FILANKEVITRY NY MINISITRA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

29/01/2020

Mahakasika ny fanovàna governemanta izay tsy ho ela intsony dia fantatra fa minisitra telo no avy amin’ny filoha telo aloha Ravalomanana ary ny roa kosa dia avy amin-dRajaonarimampianina

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

Hamaky ny tohiny...

TANIM-PANJAKANA

16/01/2020

Nambaran’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly fa antontan-taratasy miisa 19 vokatry ny hosoka no navoakan’ny teoanivon’ny

TANIM-PANJAKANA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MAHANDRO NY SAKAFONY I MBOLA RAJAONAH

25/02/2019

Nanaterana vilany i Mbola Rajaonah ary izy ihany no mahandro ny sakafony hialana izay mety ho famosaviana azy ao am-ponja.

 

 

 

 Mandeha be mantsy ny resaka ankehitriny fa rehefa tsy mety manome ilay vola ana miliara maro (10 raha ny tsilian-tsofina heno) izy mba ho solon’ny famotsorana azy, dia hotazonina ela ary hohalavaina hatrany ny fijanonany ao Tsiafahy. 

BEN’NY TANANAN’I TOAMASINA

Mety mbola misy toky ihany ny hiverenan’ny ben’ny tanànan’i Toamasina eo amin’ny toerany raha toa ka mitsipaka ny fanapahan-kevitry ny tanàna ny prefeketioran’io tanàna io. Mitohy ny fifampihantsiana sy ny fifandrahonana eo amin’ireo samy mpitantana ny tanàna ankehitriny. Tonga hatrany amin’ny fikasana hitory ny tahirimbolam-panjakana mihitsy ny raharaha satria raha ny fihevitry ny ben’ny tanàna dia io no tena sakana tamin’ny tsy fahafahana nandoa ny karaman’ny mpiasa. 

MALAZA ANY BELGIQUE

 Lasa vaovao malaza erak’i Belgique ankehitriny ny momba ireo zaza tsy ampy taona roa notazonin’ny dadany an-keriny tany Mahajanga. Ireo telo mianaka Belge ireo dia lasa miady an-trano ankehitriny rehefa lasa nampodian’ny olona avy amin’ny alalan’ny tsipaipaika ny iray tamin’izy ireo. Nanao ampamoaka amin’izay ilay tovolahy kely ary mifatratra any amin’ny rainy avokoa. Fa ny tena ratsy dia adin’ny mpianakavy kely no lasa manaratsy endrika an’i Madagasikara. 

RAHARAHA ARNAUD TOAMASINA

Velon-taraina mafy ny dadan’i Arnaud, rain’ilay zaza nisy naka an-keriny tany Toamasina fa manjaka loatra ny tsimatimanota eto amin’ny firenena. Efa hita miriaria ary nahazo MOP sahady ireo tompon’antoka tamin’ilay raharaha  nahafaty ny zanany vavy Annie. Nisy vehivavy  mpanolotsain’ny filoha teo aloha voasaringotra amin’ity raharaha ity ihany koa tsy mba samborina na hanaovana fanadihadiana,  hoy izy na efa marobe aza ny porofo. Mitaky ny hametrahana ny tena fanjakana tan-dalàna ny dadan’i Arnaud.

NY DINA NO VAHAOLANA

.Ny fametrahana ny Dina ihany no vahaolana amin’ny tsy fandriampahalemana mirongatra amin’izao, hoy ny kolonely  Ravoavy Zafisambatra, talen’ny angom-baovao eo anivon’ny zandary. Miaiky izy ireo fa tsy mahavita irery ny fametrahana ny filaminana  kanefa izany ny andraikitra voalohany hametrahana azy ireo. Matoa mbola misy ny tranga maro be  tahaka izao, mila mandray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay sy ny fokonolona rehetra. 

SENDIKAN’NY MPITSARA

Manda mafy  ny sendikan’ny mpitsara fa tsy izy ireo no tompon’andraikitra mivantana amin’ny famotsorana ireo olona matetika meloka kanefa votsotra rehefa tonga eny amin’ny fitsarana. Mitompo teny fantatra izy ireo fa  ny lalàna ihany no arahina ary vokatry ny fanadihadiana rehetra izay efa nataon’ireo mpanao fanadihadiana ihany no raisin’izy ireo. Nilaza ny filoha lefitry ny Smm fa aleo mamotsotra olona meloka toy izay managadra olo-marina. Rahoviana ihany vao tena hanjaka ny tany tan-dalàna raha izany ny fisainan’ny mpitsara ?

NY MPONINA NO MANAO FISAFOANA

.Efa ny mponina  sy ireo vatan-dehilahy sisa ao amin’ny fokontany Ouest Mananjara  no manao ny fisafoana amin’ny alina amin’izao noho ny tsy fandriampahalemana mirongatra. Tsy mba hita izay fandraisan’anjaran’ny mpitandro ny filaminana kanefa efa maro ireo namoy ny ainy sy niharam-boina  tao amin’ilay fokontany. Mbola manamafy ny antso amin’ny fanjakana hamerenana ny tobin-janaparitra (poste avancé) ny mponina.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana