Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Elikoptera nampiasain-dRajoelina Naverina fa tsy voaloa vola intsony ?

25/02/2019

Re ankehitriny, fa naverina any Afrika Atsimo tamin'iny faran’ny herinandro iny ilay angidimby raitra ZS RZA de A BELL430 iray tamin’ireo maromaro mpitondra ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena.

 

 

 Lafo loatra ny saram-panofana azy na saika mbola hotazomina aza, raha ny fanangonam-baovao natao. Raha raisina amin’ny hevitra ilany, izay voizin’i Andry Rajoelina, dia fialana amin’ny fandanilaniam-poana volam-panjakana ny fanapahan-kevitra noraisina. Noresahina matetika tato ho ato fa tsy ekena ny gaboraraka, tsy azo leferina ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ka ho henjana ny sazy ho an’izay manao izany. Tsy ampy hitsarana azy sy ny fitondrany ny iray volana, fa raha ny tantara tany aloha, dia ny tetezamita notarihiny no tompondakan’ny gaboraraka, nalaza ho nampiasa volabe 182 tapitrisa dolara tsy mazava Rajoelina araka ny novoizin’ny haino aman-jery samihafa izy izay tsy mazava na vola madio na maloto. Hiainga avy any ambony ve ny ohatra ? Raha resaka fandaniam-bola indray, nahena ny isan’ny minisitra, fa ny akamakama kosa hamoronana seza ka hananganana rafitra manokana, toy ny misy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Raha halalinina amin’ny lafiny faharoa indray, dia midika io fa tsy manam-bola ny fitondram-panjakana, ka miezaka milalao serasera fotsiny amin’ny zavatra atao mba hilazana fa miasa. Nilaza anefa fa ho avy afaka iray volana ny angidimby 5 hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana, kanefa anankiray aza izany tsy araka ny hofany. Tsy ho fampanantenana poak’aty indray izany iretsy nolazaina fa ho avy izay tapa-bolana  eo sisa raha kotiana tamin’ny fotoana nanaovana fampitam-baovao ? Tsaroana ary haverimberina matetika ny tenin’ny filoha ankehitriny raha nilaza i Marc Ravalomanana fa tsy mbola afa-miala amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika. Ny an-dRajoelina kosa dia toa nanakiana mafy tamin’ny hoe: ny an’i Zokibe Raiamandreny izao hitrosa izao foana, fa ny ahy rehefa tonga eo aho dia isika indray aza no hampindrana an’i Kaomoro. Vao tsy ela anefa izy no nangataka sy nitaky ny hanafainganana ny fanampiana ara-bola an’i Madagasikara. Laingalainga sy fampanantenana poak’aty izany hatreto ny hambo nilazana fa efa vonona ny zava-drehetra hahafahan’ny firenena miainga. Mba aiza ho aiza ilay ilay hoe: vao tonga eo aho dia hakariko 200 000Ariary ny karama farany ambany e?

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana