Politique
Ho politikan’ny fananganana sekta ?
25/02/2019
Ora sisa isaina dia hanomboka ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo ho kandida depiote hiady ny toerana etsy amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza.
Miketrika mafy manomana ny paikadiny ny mpikatroka politika, toy ny avy amin’ireo antoko lehibe eto amin’ny firenena. Miomana fatratra ihany koa ny fikambanana sy ireo mihevitra ny handeha amin’ny anaran’ny tenany manokana. Ny ho kandidan’ny antoko lehibe aloha no tsikaritra fa hifandrotehana, raha dinihina amin’ny zava-misy ao anatin’ny antoko anisan’ny lehibe miisa roa eto amintsika. Misy amin’ireo efa teo no mbola tamana sy mety te hitondra ny fanevan’ny antoko, kanefa mba misoko mangina sy manomboka misandratra ihany koa ny hafa. Ny efa teo dia tsaraina amin’ny nataony ka ny vahoaka no afaka mitsara hoe nahavita ny asany sy ny andraikitra nankinina taminy ve ? Mba nisy tokoa ve ny tamberin’andraikitra tamin’ireo vahoaka nifidy ny tena sa natao tohatra fiakarana fotsiny ? Mila mazava amin’ny rehetra ihany koa anefa fa mpanao lalàna ny asan’ny solombavambahoaka fa tsy mpizara vary mora na fanomezana etsy sy eroa. Ny sasany izany toa tsy nahalala akory ny vahoaka tao anatin’ny dimy taona fa zary lasa malala-tanana sy samaritana tampoka teo rehefa akaiky ny fifidianana. Ny tsy mbola teo ihany koa dia tsarain’ny mpiray antoko tamin’ny mety ho ezaka nataony tao anatin’ny antoko sy ny fiarahamonina. Samy manana ny hanitra ho azy fa ny rehetra no masi-mandidy amin’izay hotohanany e ! Raha ny efa teo no mbola iaraha-manaiky fa iaraha-manosika dia arahaba soa arahaba tsara, fa iny izany no tokony hiaraha-manohana raha tena miray feo ny mpiray antoko. Raha ny hafa izay tsy olom-baovao amin’ny antoko fa vaovao hisedra ny safidim-bahoaka mivantana, dia mbola izay ihany. Mety hisy ny lonilony saingy any anaty antoko, dia efa mila atomboka ny fifandimbiasan-toerana ara-demokaratika fa tsy andeha hanangana sekta, araka ny fitenin’ny tanora rehefa tsy voasafidy ho kandidan’ny antoko. Ny tahaka izany rahateo no manimba ny antoko sy ny mpanao politika eto, izay mety ho endriky ny fitiavan-tseza sy fahefana diso tafahoatra. Tsarain’ny fihetsiny eny ny tsirairay e !
Toky R